Tsy mitsaha-mitotongana ny seha-pihariana malagasy tao anatin’izay efa-taona nisian’ny krizy izay.
Hita taratra amin’ireo tondro ara-toekarena rehetra izany. Raha oharina tamin’ny taona 2008 dia sady mihena ny fampiasam-bola no mbola midina hatrany koa ny vokatra azo avy aminy na ny “profitabilité”. Araka ny antontanisa navoakan’ny INSTAT dia nahatratra 40.3% ny tahan’ny fampiasam-bola tamin’ny 2008 raha oharina amin’ny PIB na ny vokatry ny harena anaty isambatan’olona. Nikorosofahana hatrany izany isan-taona ka tsy nisy afa tsy 14.5% sisa tamin’ny 2011. Raha io tatitry ny INSTAT io ihany dia zara raha mahazo tombony na efa matiantoka mihitsy aza ireo mpandraharaha mpampiasa vola noho ilay fihenan’ny vokatra. “Raha mampiasa 100 Ariary ny mpandraharaha tamin’ny taona 2008 dia nahazo tombony 25% izy, izany hoe misy tombony 25 Ariary azony.
Tamin’ny taona 2010 anefa dia tsy mahazo tombony afa-tsy Ariary izy amin’ny 100 Ariary ampiasainy”, hoy ny mpahay toekarena, filohan’ny ODRES (Observatoire pour le Développement national des Ressources humaines du niveau de l'Enseignement Supérieur), Atoa Ramiarison Herinjatovo nanazava ny dikan’ny fihenan’ny “profitabilité”. Mazava ho azy fa midina manaraka ny tahan’ny fampiasam-bola koa ny tahan’ny fandrosoana ara-toekarena “taux de croissance”. Niala tamin’ny 7% isika telo taona lasa izay ary tafidina 1% sisa araka ny vinan’ny fanjakana tamin’ny 2011. Abaribarin’ny Banky Iraisam-pirenena amin’ny kisary navoakany ny fampitahana ny toe-draharaha amin’izao krizy izao sy ny zava-nisy raha toa ka nilamina ny firenena. Avoakany fa efa tokony ho nahatratra 33.500 ny PIB tamin’ity 2012 ity raha nitohy ny fampandrosoana talohan’ny 2009. Vao niseho anefa ireny korontana ireny izay tsy mbola mahatafavoaka antsika amin’izao fotoana dia nihena hatrany izany. Efa any amin’ny 2.800 izao ny PIB. Nomarihan’ity mpamatsy vola ity koa fa nahatratra 1.5 miliara dolara ny hetra very fotsiny tao anatin’izay tsy fisian’ny fanjakana tsy lanim-bahoaka izay raha 2.3 miliara Ariary kosa ny fanampiana avy any ivelany votsitra fotsiny.
Mbola sahirana
Kely finoana ny hiarenan’ny toekarena amin’ny 2013 ny mpahay toekerana, Ramiarison Hery indrindra manoloana ny vinan’ny fanjakana hahazoana “taux de croissance” 2,4 %. “Raha ny tarehimarika mivoaka dia mitovy amin’ny teo aloha ihany ny tahan’ny fampidiran-ketra izay midika fa terena handoa hetra ny sehatra tsy miankina, izay sahirana dia sahirana amin’izao fotoana. “Mitaraina ny mpandraharaha fa tsy misy mihitsy fepetra mivaingana noraisina hanampiana azy ireo amin’ny fihaonana amin’ny goveremanta isam-bolana.
Raha tiana ny hampiarin-doha ny sehatra tsy miankina dia tokony hohalefahana aloha ny resaka hetra amin’izao fotoan-tsarotra izao”, hoy Ramiarison Hery. Mihevitra ity farany fa rehefa miverina ny mpamatsy vola sy mpampiasa vola aorian’ny fifidianana amin’ny tapany faharoan’ny taona 2013 vao mety hisy fihatsarana ny toe-draharaha ara-toekarena. Ny sehatry ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany sy ny vokatra ara-tsakafo no miaina amin’izao fotoana raha ny fahitan’ny ODRES azy. Tsy dia mitondra vokatsoa be ho an’ny toekarena araka ny antenaina ihany koa ireo orinasam-pifandraisan-davitra noho izy orinasa vahiny. Tsy mampidi-bola vahiny loatra mantsy izy ireny fa mamoaka aza. Ny Ariary ihany no ahodiny eto dia alefany any aminy ny tombony avy eo. Io ilay antsoina hoe “rapatriement de devises”. Misy tombony kokoa ho an’ny Malagasy raha Malagasy monina eto no tompon’ireny orinasa araka ny fanazavany ihany. Torak’izany koa ny fanafarana solitany.
Vokatra ara-tsosialy
Miantraika amin’ny sosialy ny fahasahiranan’ny toekarena. Tao anatin’ny telo taona fotsiny dia nitombo 8% ny Malagasy lasa nahantra. Raha ny 68%-n’ny Malagasy no niaina latsaky ny 1 dolara isan’andro teo aloha dia efa mahatratra 76,5 % izy ireo ankehitriny. Voaporofon’ny IDH (Indice de Développement Humain) koa izay satria tao amin’ny sokajy antonony isika dia nidina any amin’ny sokajy ratsy isa amin’izao. Ny tombam-pahavelomana, ny tahan’ny fanabeazana, ny tahan’ny fahaizana mamaky teny sy manoratra ary ny vola miditra isam-batan’olona no atambatra hikajiana ny IDH.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.