Actualités

Fihaonamben’ny SECES Henjana ny adihevitra omaly


  • Zoma 28 Janoary 2011


Nitohy omaly ny fihaonamben’ny mpampianatra mpikaroka nanerana ny nosy teny amin’ny oniversiten’Antananarivo. Araka ny tsiliantsofina dia henjana ny andro omaly ho an’ireo mpampianatra mpikaroka ireo satria nisy ny hevitra tsy nitovian’ny maro. Nisy ireo izay nilaza tahaka ny avy amin’ny faritany fa tokony tsy hitohy mihitsy ny asa rehetra ataon’ny mpampianatra mpikaroka raha tsy misy ny ezaka avy amin’ny FAT. Ny zava-misy amin’izao anefa dia nampanantena ny FAT fa hanatanteraka ireo fitakian’ny SECES.

Misy ireo milaza fa raha tsy hita mivaingana mihitsy ny fanatanterahana ny voalaza tsy hisy inona atao any amin’ny oniversite rehetra manerana ny nosy. Etsy andaniny, misy ireo somary milefitra kokoa satria mieritreritra fa atomboka ny fifaninanana hidirana amin’ny kilasy voalohany ary hotontosaina ny fanadinan’ireo mpianatra izay tsy nahavita izany kanefa aorian’izay rehefa hita fa tsy misy ny ezaka ataon’ny FAT dia hakatso tanteraka mihitsy ny fampianarana rehetra eny amin’ny oniversite rehetra. Omaly, araka izany, dia nihodinkodina teo ny resaka ka tsy nisy ny fanapahan-kevitra tapaka. Na izany aza, mbola hitohy anio ny fivoriana ka ho hita eo indray ny lahadinika anio.

Rakoto Maxime

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT