Tontosa ny zoma 24 desambra teo ny lanonana ara-miaramila nitsofan-drano ka nampitondraina ny anaran’ny Lietnŕ Kolonely Mohajy Andriamahasolo, izay efa nodimandry, ny Toby Hery vonjy taitra (FIGN) Fort-Duchesne manomboka izao.
Lanonana izay tafiditra indrindra ao anatin’ny fankalazana ny faha-50 taona nahazoana ny Fahaleovantena sy nijoroan’ny Foloalindahy Malagasy. Nisy ny fitokanana ny tsangambatom-pahatsiarovana misy ny sarin’Itompokolahy ary ny fampisehoana ny sorabaventy Toby Lietnà Kolonely Mohajy Andriamahasolo eo am-bavahady. Nisy fampirantiana nentina nampahafantarana misimisy kokoa ny lalana nodiavin’ity manamboninahitra ambony ity izay nahatalanjona ny maro ary niara-niaiky ny rehetra fa “soa fianatra” tokoa ny zava-bitany”. Toby nanoratra tantara teto amin’ny firenena ity Toby Lietnà Kolonely Mohajy Andriamahasolo ity ny taona 2009 sy 2010. Martsa 2009, anisan’ny nitarika fikomiana ka nandray anjara tamin’ny fanonganana ny fitondrana Ravalomanana ny zandary avy amùin’ny Cellule Tactique tao, izay nahitana ny komandin’ny zandarimariam-pirenena ankehitriny.
Herintaona taty aoriana, nipoaka ny raharaham-bola 500 tapitrisa ariary, izay nifampiampangan’ny samy zandary tao ho nisy nanodinkodina. Raharaha izay very anjavony nony taty aoriana, na dia efa nanokafana fanadihadiana aza. Fa nanamarika ity Toby ity koa ny raharaha 20 mey nisiana fikomiana nitohy tamin’ny fifampitifirana nahafatesana sivily sy zandary ary naharatrana olona maro ihany koa. Manamboninahitra sy manamboninahitra lefitra miisa 18, tarihin’ny lietnà kolonely Andrianjafy Raymond, no nidoboka any am-poja ary tsy mbola voatsara hatramin’izao. Koa asa amin’izao nanovana anarana azy io izao na hanova ny rindram-pifehezana sy fiaraha-monina ao na ahoana ? Marihina fa ny Lietnà Kolonely Mohajy Andriamahasolo ity dia anisan’ny manamboninahitra nibaiko ny Hery vonjy taitra (FIGN) izay manana ny foibeny eny Fort-Duchesne. Toby lehibe fahatelo an’ny zandarimaria nampitondraina anarana manamboninahitra ambony ity etsy Fort Duchesne ity taorian’ny Toby Jeneraly Philibert Ramarolahy etsy Betongolo, sy Toby Jeneraly Bory Jean Paul any Moramanga.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.