Actualités

Fifohana sigara Olona iray isaky ny enina segodra no mamoy ny ainy


  • Alatsinainy 02 Jona 2014

Mitombo isa isan’andro ireo mpifoka sigara eto amintsika. Mihatanora hatrany koa ny salan-taonan’ireo mandray izany satria dia vao 10 taona monja no kely indrindra.

Vokany ankizy 20 amin’ny 100 isa no efa mandray sy mihinana io karazan-java-mahadomelina io ankehitriny. Noho ny fampirisihan’ny namana sy ny rendrarendra fotsiny anefa no mahatonga izany. Raha araka ny tarehimarika navoakan’ny Fikambanana iraisam-pirenena misahana ny fahasalamana na ny OMS anefa dia olona iray isaky ny enina segondra no maty vokatr’io fifohana sigara io ary tafakatra 6 tapitrisa izany maneran-tany. Vahaolana hitan’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny sy ny OMS araka izany ny tokony hampiakarana ny hetra alain’ny fanjakana amin’ny sigara. Raha io mantsy no tanteraka dia mety hihena hatrany amin’ny 49 tapitrisa ny isan’ireo mpifoka sigara ao anatin’ny telo taona. Tsara ny mampahatsiahy fa manomboka amin’ny 100 Ar ny vidin’ny sigara eto amintsika amin’izao fotoana raha 200 Ar ho an’ireo karazany tsotsotra. Karazan’aretina maro izay andaniam-bola tsy toko tsy forohana kosa anefa no entiny toy ny aretin’ny homamiadana, ny lalan-drà ary ny fo ka tokony samy hitandrina ny rehetra. Nomarihina ny sabotsy 31 mey lasa teo ny Andro iraisam-pirenena iadiana amin’ny tsy fifohana sigara.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT