Actualités

Fifehezana ny vidin’entana Vaky loha ny mpitondra, tezitra ny mpandraharaha !


  • Alarobia 16 Febroary 2011

Mihazakazaka mitety orinasa etsy sy eroa tato anatin’ny roa herinandro izao ireo tomponandraiki-panjakana ambony eto amintsika, lohalaharana amin’izany ny praiministra Camille Vital sy ny ministry ny toekarena sy ny indostria Fienena Richard.

Anton’ny fihetsiketsehana rehetra ny fijerena ifotony sao misy manafina PPN ireny orinasa ireny. Dia nody ventiny tokoa aloha ny rano nantsakaina satria tra-tehaka ny siramamy nafenin’ny Sirama Ambilobe. 10 000 taonina mahery no tratra, ary dia nivoaka ny baiko fa tsy maintsy amidy eto Madagasikara ireo fa tsy aondrana any ivelany izany. Ny vary sy ny siramamy aloha no tena mahasarotiny ny fitondrana tetezamita amin’izao fotoana ary ametrahana fanaraha-maso hentitra, saingy efa manomboka tsy ho takatry ny olon-tsotra intsony ihany koa ny vidin’ny menaka, ny voamaina tahaka ny tsaramaso sy ny voanjobory ary ny lafarinina. 

Raha tsorina ny resaka dia lasa tahaka ny polisy manara-maso ireo orinasa sy mpamongady momba ny PPN mihitsy ny mpikambana sasany ao amin’ny governemanta amin’izao fotoana satria efa tena halohalika ny ranom-bary ary manomboka mimenomenona ny olona. Misy moa ny miteny fa hoe tetika politika ataon’ny mpanohitra haminganana ny fitondrana tetezamita hono no mampiakatra io vidin’entana io ; ao koa no mahita fa tsy olon-kafa fa ireo mpandraharaha akaikin’ny FAT ihany ireo tendan-kanina tsy mety voky sy tsy mahalala onona ireo. Ny mampanahy ny rehetra dia sao lasa tsy voafehin’ny manampahefana tahaka ireo fanafihan-jiolahy mitam-piadiana eto Antananarivo sy ny manodidina ity vidin’entana ity ka izay vao tena ho ratsy ny raharaha.

Mandeha mantsy ny resaka fa mahalala olona matanjaka ao ambonimbony ao ny sasantsasany amin’ireo mpamongady ka tsy matahotra n’iza n’iza mihitsy fa dia manao izay hahazoany tombony foana. Matetika koa dia miroborobo ny mpanararaotra amin’ny vanim-potoana tetezamita maha gaboraraka ny fampiharana ny lalàna tahaka izao, koa izany rehetra izany rehetra izany no mitambatra ka manomboka mampimenomenona ny olona.

Ny maha sarotra ity raharaha ity anefa dia tsy afaka ny hanara-maso sy hibaiko ny mpandraharaha tahaka izao ataony izao maharitra ny fitondrana tetezamita satria hanakorontana tanteraka ny tontolon’ny fandraharahana izany ary mety hampifanenjana ny roa tonta. Efa misy rahateo any ambadimbadika any, raha araka ny fantatra, mpandraharaha maromaro mivory sy mandinika ny tokony hatao amin’ity fijabahan’ny fanjakana amin’ny asan’ny sehatra tsy miankina ity. Araka ny loharanom-baovao ihany dia tsy hoe mandà ny famerana ny vidin’entana izy ireo fa mitaky kosa ny tokony hametrahan’ny fanjakana fepetra hafa mba tsy hamono antoka ireo mpandraharaha Malagasy sy hanadiovana ny sehatra.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT