Actualités

Fifaninanana soratononina Malagasy no 2 voalohany erantany


  • Zoma 30 Mey 2014

Tena mahay ny Malagasy ary voaporofo izany tamin’ny dingan’ny fifanintsanana tamin’ny fifaninanana teny frantsay «Les timbrés de l’orthographe».

 Fifaninanana iraisam-pirenena izy ity ary nisy 1174 ireo mpandray anjara tetsy amin’ny Alliance Française Andavamamba ny 05 aprily lasa teo. Nisongadina tanteraka isika tamin’ny taranja soratonina satria Malagasy no 2 voalohany erantany rehefa nampitahaina ny kopia rehetra. Tany Frantsa moa no nanaovana ny fitsarana ka i Rakoto Danielle Aurore sy Mamy Patrick Aziz izay samy Malagasy no vitsy fahadisoana indrindra. Araka ny fitsipiky ny fifaninanana dia i Rakoto Danielle Aurore no hisolotena an’i Madagasikara sy Afrika iray manontolo amin’ny dingan’ny famaranana any Frantsa ny 14 jona izao. Raha ny rariny sy hitsiny dia tokony hanana anjara toerana amin’izany koa i Aziz Mamy Patrick izay laharana faharoa erentany tamin’io dingan’ny fifanintsananana io. Tsy afa-manoatra anefa ny tenany satria iray isaky ny kaontinanta ihany ny solotena. Misy ny tsirim-panantenana ny hahazoantsika ny laharana voalohany raha io vokatra io no jerena. Na ho inona anefa ny valin’ny dingana famaranana dia efa maneho ny fahavononany handray anjara amin’ny «Les timbrés de l’orthographe» taona 2015 i Rakoto Danielle Aurore.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT