Actualités

Fifanarahan’ny ankolafy 4 Antoky ny fiverenan’ny famatsiam-bola


  • Zoma 23 Aprily 2010

Efa fantatra amin’ny ambangovangony amin’izao fotoana ny mety ho fitrangan’ny fihaonan’ny filohan’ny ankolafy 4 any Pretoria – Afrika Atsimo, araka ny fandaharam-potoana (tsy ofisialy) efa nivoaka

Ny alatsinainy 26 aprily ho avy izao no hanainga ny delegasiona ka hihazo an’i Afrika Atsimo, voakasik’io moa ny ankolafy Rajoelina, ny ankolafy Zafy Albert izay samy eto Madagasikara, ny ankolafy Ratsiraka (any Frantsa sy eto Madagasikara), ary ny ampahany amin’ny mpikambana ao amin’ny delegasion’ny ankolafy Ravalomanana. Ity farany moa dia efa any an-toerana. Ny talata 27 aprily kosa dia hisy ny fivoriana savaranonando, hametrapetrahana ny fototra iaingan’ny adihevitra sy ny fifampiraharahana, mandray anjara amin’io ny delegasion’ny ankolafy efatra sy ireo mpanelanelana tarihin’i Joaquim Chissano ampian’ny Afrika Atsimo sy Frantsa. Ny ampitson’io kosa, izany hoe ny alarobia 28 aprily no tena hifanatrika ary hiady hevitra amin’izay fehin-kevitra hitantanana ny tetezamitan’ireo ankolafy efatra. Ny androtr’io ihany no tokony hotanterahana ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana na ny satan’i Pretoria, raha hita ny marimaritra iraisana. Miantoka ny hoavin’i Madagasikara eo amin’ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa amin’ny any ivelany ny fahavitan’io sonia io, sy ny fahitana ny marimaritra iraisana. Hodinihan’ny Vondrona Eoropeanina any Bruxelles mantsy ny alakamisy 29 ny antontan-taratasin’i Madagasikara ; ka raha mifanaraka ireo ankolafy efatra fa atsangana ny tetezamita iaraha-mitantana dia azo eritreretina fa ho avy tsy ela aorian’izay ny fanekenan’ny sehatra iraisam-pirenena ny fitondrana mijoro eto ; ka mety hiverina amin’izay ireo famatsiam-bola maro samihafa, anisan’izany ny an’ny Vondrona Eoropeanina. Raha sanatria moa ka mirava maina indray ny fihaonana any Afrika Atsimo dia izay no vita satria amin’ny herintaona indray vao afaka ny handinika ny antontan-taratasy Madagasikara ny vondrona Eoropeanina, mitovitovy amin’izay ny an’ny Banky Iraisam-pirenena. Ary ny tena loza dia mety hitombo ny sazy, ka tsy hoe ny mpanao politika na ny mpitondra ihany no iharan’izany fa ny firenena iray manontolo mihitsy, izany hoe ny vahoaka Malagasy.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tànana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

  • Fanasohasoana sy fisolelahana be fahatany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Lasa tsipy hoditr'akondro

  • ANTSIRANANA
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Tsy ampy ny solika, misy sahady ny fanararaotana

  • Eliace Ralaiarimanana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Fitiavan-tanindrazana ny

  • Fiaraha-miasa marolafy
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

amin’ny Rosianina

Hijery ny tohiny
FTT