Actualités

Fidorohana rongony mahery vaika 5 indray no tratra teny amin’ny faritra IVO sy Ankadindramamy


  • Alakamisy 19 Janoary 2023

Saron'ny Polisy misahana ny ady amin'ny zava-mahadomelina Anosy teto an-drenivohitra ny olona miisa 5 ka vehivavy ny iray tamin’ny fiandohan'ity herinandro rehefa nidoroka zava-mahadomelina mahery vaika.

Ny roa, voasambotra tetsy amin'ny faritra IVO. Ny 16 janoary raha tsiahivina dia fantatry ny mpitandro ny filaminana ny fisian'olona mivarotra sy mamatsy zava-mahadomelina mahery vaika eny amin'iny faritra iny. Tsy niandry ela moa izy ireo fa nidina teny an-toerana avy hatrany, nanamarina sy nijery ny zava-misy ka lehilahy iray 37 taona sy vehivavy iray 31 taona no tratra tao. Mbola nahatrarana heroine 2,30g tao aminy nandritra ny fisavana.Tamin'ny fanadihadiana ihany koa no nahafantarana fa sady mitsindrona izy ireo no mivarotra heroine, mifoka rongony ihany koa. Ilay lehilahy dia efa mpamerin-keloka amin'ny resaka heroine. Vao nivoaka ny fonja ny volana novambra lasa teo ny anaolahy tamina resaka heroibe milanja 2,30g. Tetsy Ambohidahy Ankadindramamy kosa no tratra ny telo amboiny. Tratra ambodiomby teo am-pifohana rongony sy nikirakira heroine mihitsy ireto farany. Mbola nahitana heroine milanja 2,70g ihany koa tany amin’izy ireo nandritra ny fisavana. 20,24,26 ny salan-taonan'izy ireo. Ny roa mpitsindrona heroine sy mpifoka rongony raha mpanjifa kosa ny iray izay saika hividy.Mahalany héroïne iray fonosana isan’andro izy ireo rehefa mitsindrona. Mahalafo 10 ka hatramin'ny 15 fonosana kosa. Natolotra ny fampanoavana omaly alarobia 18 janoary izy ireo ka samy naiditra am-ponja vonjimaika avokoa.
Pati
Legende : Ireto izy 5 mianadahy sy ireo zava-mahadomelina mahery vaika hamidiny sy fohany
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT