Actualités

Fidèle Razara Pierre Raha misy tsy tokony homena fitondrana dia i Andry Rajoelina


  • Alakamisy 22 Novambra 2018

Ambetin-tenin’i Fidèle Razara Pierre ao amin’ny Radio Az tantaniny ankehitriny ilay teny efa nambarany hatramin’ny fitondrana tetezamita manao hoe :

 

 

 

 “Raha misy olona tsy tokony homena fitondrana dia i Andry Rajoelina”.  Fantatro tsara ny tena fisainan’ity zandrikely ity amin’ny naha mpiara-miasa aminy akaiky ahy tamin’ny andron’ny tetezamita notantaniny fa izy dia manondrana sy manampatra fahefana rehefa mahazo fitondrana fa tsy mahazo an’izany ary izy izao jereo ity efa ataony. Ankoatra an’izay dia malaza amin’ny fampandriana adrisa  sy fanaovana valala an-danitra ka asiako sira ihany koa ity kandida lah 13 ity ary havanana amin’ny fanaovana fampanantenana poakaty. Zavatra tena tsy tantin’ity sakaiza ity koa ny olona maneho hevitra manohitra azy sy milaza azy ho mpanongam-panjakana fa hitadiavany hirika hatrany ny handetehana  sy hanapotehana azy. Azo antoka fa baiko avy aminy, ohatra, ny fanenjehana an’i Mbola Rajaonah ankehitriny izay nisafidy ny hanohana ny kandida Marc Ravalomanana lah25 izay tena tsy lanin’ny vavoniny tanteraka.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

Hijery ny tohiny
FTT