Actualités

Fibodoana tany etsy Ambatomainty Nitsangana nanao sonia fifampivarotana ny maty tany am-pasana ?


  • Alatsinainy 20 Mey 2013

Mahagaga sy mahatalanjona, hoy Rafalimanana Nestor solontenan’ny mpandova an’Itompokovavy Rafara Madeleine, ny momba ny tany lovanay etsy Ambatomainty Antananarivo Renivohitra izay tsy namidinay velively mihitsy nefa dia misy olona milaza ho nividy azy ka manorina trano eo amboniny ankehitriny.

 Tany mirefy 300 m2 no namidin-dratompokovavy fahavelony, hoy Atoa Nestor, nefa dia 600 m2 no lazain’ireo nividy fa azy. Efa tamin’ny taona 1973 i Neny Rafara no maty nefa voalaza fa tamin’ny taona 1978 ireo olona nividy ny tany no nilaza fa nahavita nanoratra io mihoatra io taminy. Raha ny marina izany dia nitsangana avy ao am-pasana tao i Neny Rafara nanao sonia an’io taratasy fifampivarotana vaovao io, hoy izy. Mamolivoly anaty izao trangan-javatra izao, hoy ity solontenan’ny mpandova ity, satria i Neny Rafara Madeleine aza fony fahavelony dia efa nametraka didy miafina ny datin’ny 8 febroary 1974 fa tsy azo amidy ilay tany lova raha tsy hifampiresahan’ny rehetra.

Efa nangataka ny tribonaly izahay ny hanaovana “expertise” ny tany amin’ny alalan’ny fandrefesana ifotony azy io fa tsy mbola nisy valiny mandraka ankehitriny. Nanatona ny Hafari Malagasy, ireo mpandova, nitady vahaolana. Noraisinay an-tanana ity raharaha ity, hoy Atoa Rafanomezantsoa Jean Nirina filohan’ny Hafari Malagasy, ka miezaka ny hanampy ny niharam-boina izahay mandra-pahatongan’ny fanaovana “expertise” an’ilay toerana satria heverinay fa tsy tokony handray am-bolony ny fitsarana amin’ny trangan-javatra tahaka izao fa mba hijery ifotony ny zava-misy. Izahay, hoy izy, dia tsy mitsahatra mampahatsiahy amin’ny fanjakana fa efa tena zava-doza mihitsy ity resaka fibodoana tanin’olona ity.

Manohy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT