Actualités

Fiatrehana ny rivodoza Mila fanampian’ny mpiara-miombon’antoka hafa


  • Zoma 06 Jolay 2018

Notanterahana omaly tetsy amin’ny birao nasionaly misahana ny fisorohana sy fihatrehana ny loza eto amintsika na BNGRC etsy Antanimora ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasan’ity rafitra ity sy ny rafitra iraisam-pirenena misahana izany na ny Medair.

Ny lafiny fiomanana sy fiatrehana ny loza ateraky ny rivodoza moa no isan’ny navoitra tamin’izay fifanarahana izay, raha ny fanazavana. Hisy ny famatsiana ara-pitaovana hafa ho avy ihany koa aorian’izao avy amin’ireo rafitra hafa toy ny SADC sy ny ONU ahafahana mijery mialoha ny mety ho vokatry ny rivodoza toy ny tondradrano sy haintany hatrany. Ny taona 2017 moa nanodidina ny 1.800.000 isa ireo olona nisitraka mivantana ny fanampian’ny Medair avy amina firenena 13, raha ny tatitra avy eo anivon’ny BNGRC hatrany, ka avy eto Madagasikara ny 102.521 tamin’ireo. Isan’ny tetikasa notanterahana tamin’ny izany ny fampanjifana rano fisotro madio tamin’ireo faritra hita ho voa toa an’i Maroantsetra.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT