Notokanana tamin’ny fomba ofisialy omaly tetsy Fort Duchesne ny ivontoeran-tserasera hiatrehana ny loza sy ny tandindon-doza eto Madagasikara.
Niaraka tamin’izay koa moa no nanolorana irony fitaovana fitetezana ambony rano (Hydroglisseurs na airboats) maromaro irony. Ahitana ireo karazam-pitaovana arifomba toy ny solosaina sy Voangorivy na “drone” hiaka farany ihany koa ny ivontoerana. Tanjona, raha ny fanazavana, ny mba hahafahana manangona haingana ireo karazam-baovao miseho isam-paritra hiarovana ny ain’olona sy ny fananany. Tafiditra ao ny tondra-drano sy ny horohorontany ary tany mihotsaka. Avy amin’ny PAM na ny fandaharan’asa iraisam-pirenena mikasika ny fanjarian-tsakafo kosa ireo karazam-pitaovana mety ilaina amin’ny fiatrehana ny loza voalaza teo toy ny lakana haingam-pandeha. Azon’ny rehetra misehatra eo amin’ny famonjena ain’olona ampiasaina ireo fitaovana ireo.
Pati sy Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.