Actualités

Fiatrehana ny haintany, rivodoza,… Hampindrana sy hanampy 22 tapitrisa dolara ny BAD


  • Alarobia 18 Janoary 2023

Tontosa omaly 17 janoary 2022 ny soniam-piaraha-miasa miisa roa nifanaovan’ny Fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola Rtoa Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison andaniny,

ary ny Banky Afrikanina momba ny fampandrosoana (BAD) tamin’ny alalan’ny solontenany Adam Amoumoun ankilany. Manodidina ny 22 tapitrisa dolara ny teti-bidin’ny fiaraha-miasa natao sonia. Tafiditra ao anatin’io ny famatsiam-bola fanampiny mitentina 19,25 tapitrisa dolara hanampiana an’I Madagasikara amin’ny fiantraikan’ny loza ara-toetr’andro (haintany, rivodoza,…). Famatsiam-bola efa nankatoavina ny 05 desambra 2022 mitentina 13 tapitrisa dolara ny iray miompana amin’ny tetikasa Adrifi (Programme de financement des risques de catastrophes en Afrique) izany hoe : mifantoka amin’ny famatsiana ny tetikasa momba ny fiatrehana ny loza voajanahary. Mitsinjara toy izao: 7,11 tapitrisa dolara miendrika fampindramam-bola ary 5,89 dolara kosa fanomezana. 1,54 tapitrisa kosa ny anjara birikin’ny Fanjakana ho an’ny fanatanterahana io tetikasa io. Natao hiatrehana sy hamaliana ny fiantraikan’ny loza boalajanahary sy fahafaha-miaina ao anatin’ny fiovaovan’ny toetr’andro io izany amin’ny ankampobeny. Atao ihany ahafahana manatsara ny filaminana ara-batana sy ara-tsakafo ho an’ireo olona marefo, mba hanamafisana ny ara-bolan’ny Fanjakana Malagasy eo anatrehan’ny zava-misy. Ny faharoa kosa dia ao anatin’ilay hoe : PMP VREAU (Projet de mobilisation, de protection, de valorisation de la ressource en eau et de renforcement de la résilience au changement climatique), hiompana betsaka amin’ny. Hanetsehana ny fahafaha-manatsara ny tontolo sy ny mponina manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro, ka amin’ny alalan’ny fanetsehana, fiarovana, ary ny fanomzan-danja ny rano io. 3,49 tapitrisa dolara ny vola hoentina mamatsy ity tetikasa faharoa ity. Irariana mba tena ho tsara tantana sy hifandraika amin’ny programan’asa nofaritana, fa tsy sanatria ho tari-drano ankilahila ka very mankany am-paosin’ny lava tànana ny ankamaroany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT