Mpamonjy voina ao amin`ny SAR (Search and Rescue) 27 avy amin`ny firenena dimy toa an`i Madagasikara, Afrika Atsimo, Mozambika,
Kaomoro ary Namibia no nahazo fiofanana avy tamin` ny solontenan`ny IMRF (International Maritime Rescue Federation) sy OMI (Organisation Maritime). Fampiofanana naharitra telo andro izay nifarana omaly zoma 23 novambra 2018 izay nentina hanatsarana ny fikambanan`ny mpamonjy voina an-dranomasina Malagasy sy ireo mpisahana ny asa famonjena voina rehetra ary koa mba hahatonga azy ireo hahafehy ny asany. Mitana andraikitra lehibe eo amin`ny fiarovana ny mpiatsambo ireo mpamonjy voina ao amin`ny SAR. Na dia manana fitaovana arifomba aza ny firenena ankehitriny dia ilaina koa ny manana mpiasa voaofana sy manana traikefa amin`ny fampiasana ireny fitaovana ireny. Araka izany, nahazo fahalalana ilaina rehetra ny mpamonjy voina an-dranomasina malagasy ao amin`ny SAR amin`ny fanatanterahana ny asany. Ny ministeran`ny Fitanterana sy ny Famatarana ny toetr`andro, ny sampandraharaham-panjakana misahana ny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy (APMF) no nikarakara nny fampiofanana ireo mpamonjy voina SAR, izay nataon`ny IRMF ary notohan`ny OMI izay natao tetsy Antaninarenina. Tsara ny manamarika fa ny APMF no misahana ny fitantanana sy fanaraha-maso seranan-tsambo maro eto Madagasikara ary ao anatin`izany ny fandrindrana ny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy sy ny fisorohana ny loza. Ilaina mihitsy ny fanaraha-maso ny sisin-dranomasina ho fiarovana ny harena mba ho fitrandrahana ara-dalàna sy ara-drariny ary mitsinjo ny taranaka ho avy.
Tsirinasolo sy Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.