Raharaha anisan’ny mbola maha be resaka ankehitriny ny fisondrotry ny sarandalan’ny taksibe eto an-drenivohitra sy ny fiantraikan’izany. Vahinin’ny SOKELA anio Rakotorova Rabetsara dit Ralita mpanorina ny «Confédération Nationale pour la Défense des Consommateurs (CNDC)», manazava ny andraikitry mpiaro ny zon’ny mpanjifa manoloana izany.
Tia Tanindrazana (TT) : Aiza ho aiza ny tohin’ny hetsika nataonareo ho fanoherana ny fanondrotan’ny mpitatitra an-drenivohitra ny sarandalana ho 400 Ariary ?
Rakotorova Rabetsara dit Ralita : Tsy mijanona amin’iny izahay satria ny hitsikitsika natao hivavahana no lasa papango nifaoka ny zanak’akoho indray satria nanaiky ilay sarandalana 400 Ariary ny mpitondra. Tsapanay izao fa tsy mahalala ny fahasahiranana mianjady amin’ny vahoaka marina ny mpitondra satria tsy fantany ny vola mivoaka amin’ny isan-tokantrano amin’io resaka sarandalana io. Mbola mitaky ny hamerenana ny sarandalana ho 300 Ariary izahay. Ny zokiolona izay nandoa 200 Ariary dia lasa mandoa 300 Ariary izao ka aiza ho aiza ny fitsinjovana ny vahoaka amin’izany ? Milaza foana ny mpitondra fa “noho ny tombontsoa ambonin’ny firenena” rehefa misy fanapahan-kevitra horaisiny. Moa ve tombontsoan’ny vahoaka ary ireny fanapahan-kevitra noraisina ireny, sa tombontsoa ambonin’ny mpitatitra ? Sao dia manao fihetsika mpandraharaha koa ity mpitondra ity ka tsy mijery afa-tsy ny tombontsoany. Araka izany dia mitohy ny hetsika satria efa maro ny vahoaka mitaraina sy manainga anay eny an-dalana eny hanetsika ny olona. Ny manao zavatra anefa tsy mora sady ny omby indray mandry koa tsy indray mifoha. Hiantso ireo filohan’ny fiarahamonim-pirenena izahay ato ho ato hanomana fihaonana lehibe ka samy hanetsika ny Fokontany sy ny olony ny fikambanana tsirairay avy hanehoana ny tsy fankasitrahana ireny fanapahan-kevitra ireny.
TT : Ianareo ve tsy mahatsiaro hoe lany rora fa tsy raharahian’ny fanjakana akory ?
Ralita : Mbola ho avy ny fotoana hihainoany ka ary isaorako ny feon’olona izay mikaikaika mangataka ny fanafaizana an’ireo mpitondra sy mpanao politika ireo. Ho hitantsika ny vokatr’izay ary tsy ho ela. Ny zava-drehetra moa tsy filaza avokoa fa ho hitantsika ny vokany rahampitso sy rahafakampitso.
TT : Sao dia fitadiavana toerana kosa ilay mitabatabata ataonareo dia mangina rehefa mahazo seza, na koa karamain’ny mpanao politika ?
Ralita : Tsy mbola nisy mpanao politika nanome vola anay. Faharoa dia ny politikan’ny kibonay mpanjifa no mibaiko anay ary tsy mahadiso anay raha mieritreritra ny kibonay izahay. Tsy mbola nisy anie mpanao politika na iray aza nilaza hoe ampidino ny sarandalana fa izahay iharany no miteny. Na ny filohan’ny tetezamita aza tsy nitaky ny fitazonana ilay 300 Ariary.
TT : Raha ny lalàna, inona ihany koa no zavatra azonareo atao ankoatra ilay mitabataba ?
Ralita : Misy hetsika maneho ny maha olom-pirenena azo atao. Tahaka ireny ataon’ny any ivelany ireny, ohatra, amin’ny alalan’ny fikapohana sarom-bilany sy sotro ary ny fitsofana kiririoka. Tsy misy herisetra fa am-pilaminana no anatanterahana azy hanehoana tsy fankasitrahana ny fepetra raisin’ny mpitondra amin’ny fitantanana ny firenena. Raha mila fangatahana ry zareo hanaovanay izay dia vonona izahay hanaraka izany. Ny vahoaka no andriamanjaka izay tompon’ny lalàna ka tokony hanasoavana azy izany.
TT : Ny sarandalana foana no tena kianinareo nefa be dia be ny zava-manjo ny mpanjifa amin’ireny vokatra tsy fanta-piaviana avy any ivelany izay mitobaka eny antsena ireny ?
Ralita : Efa nanao hetsika izahay nidina teny an-tsena nanara-maso ireny entana lany daty ireny izay iarahanay miasa amin’ny Ministeran’ny varotra. Ny andraikitray no ataonay fa an’ny OPJ “officier de police judiciaire” kosa no mandray izay tandrify azy. Rehefa misy hetsika iarahana amin’ny polisy ka mahatratra fandikan-dalàna dia entina eo anatrehan’ny fitsarana. Ny mampalahelo kosa anefa dia goragora ny lalàna miaro ny zon’ny mpanjifa eto amintsika satria raha henjana io dia tsy hisy ho sahy hanao izao zavatra izao. Efa misy izao ny “cadre général de protection des consommateurs” izay omaninay. Hatao tolo-dalàna hatolotra hodinihan’ny parlemanta izy io ka rehefa lany dia ampiharina eto amin’ny tany sy ny firenena.
TT : Raha ny fijery azy dia ny mponina an-drenivohitra ihany no ifantohan’ny asa ataonareo fa mba ahoana kosa ireny tantsaha maro an’isa ireny izay mpanjifa koa ? Inona ny hetsika efa mba nataonareo ho azy ireny ?
Ralita : Manana masoivoho isaky ny renivohi-paritra izahay ary misy aza hatrany anivon’ny Distrika. Any Besalampy any izao dia efa miforona ny fikambanana miaro ny zon’ny mpanjifa rehefa mahita sy maheno ny andraikitra sahanina aty. Miara-miasa amin’ny sampandraharahan’ny ministeran’ny varotra any amin’ny Faritra any na koa ny Ben’ny tanàna na ny mpitandro ny filaminana ry zareo.
TT : Teny hamarananao izao resadresaka izao ary.
Ralita : Tsy mahadiso an’i Andry Rajoelina no miverina amin’ny fanapahan-keviny raha nanonona ilay sarandalana 400 ariary izy. Tombontsoan’olom-bitsy iny fa tsy an’ny sarambabem-bahoaka. Ary aza avakavahana ny mpiasam-panjakana izay kely karama, ireo tsy an’asa izay tsy maintsy mitaingina taksibe rehefa hitady asa. Ny zavatra tokony hatao dia ajanony 300 Ariary ny saran-dalana. Raha tonga ireo “bus” lehibe dia omena fahafaha-mandoa ny vidiny ireo mpitatitra fa 200 Ariary kosa ny sara aloa rehefa mandeha aminy. Izay no zakan’ny fahefa-mividin’ny vahoaka amin’izao. Volam-bahoaka no hanafarana an’ireo “bus” ireo ka tokony hiverina aminy ny tombony.
Nanonin’i Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.