Hatrany amin’ny 2,64 miliara dolara ny filana ara-pamatsiam-bola ho an’ny lafiny
ara-toetr’andro sy tontolo iainana ho an’i Madagasikara ho an’ny 2020-2030, raha ny fandresen-dahatra nataon’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola Rtoa Rindra Hasimbembelo tao anatin’ny Fivorian’ny COP 28 any Dubaï. Talohan’izao dia isan’ny vaovao nanamarika an’i Madagasikara ny filazana fa nahazo 8,8 tapitrisa dolara vokatry ny famarotana karbona REDD+ avy amin’ny ala i Madagasikara ka mametraka azy ho firenena faha 3 (ao aorian’ny Ghana sy Mozambique) nisitraka ny fandoavana ity vidina kabona ity avy amin’ny Banky iraisam-pirenena aty afrika. Nambara fa vokatry ny ady nataon’ny Fanjakana malagasy tamin’ny alalan’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy no nahazoana izao vokatra izao. Manaporofo ny fahaiza-mitantana sy ny ezaka natao hitazonana sy hiarovana ny ala izao, ary hery lehibe ho antsika izany ka tsy maintsy hamafisina sy ampitomboina ny vokatra. Mbola maro anefa ny ezaka mila atao, hoy hatrany ny Fanjakana. Voalaza fa ampahany voalohany amin’ny 50 tapitrisa dolara izay totalim-bidin’ny « crédit carbone » nataontsika sonia ity 8,8 tapitrisa dolara ity. Ny 80% amin'ity vola ity dia natokana ho an’ny asa fiarovana sy fametrahana fotodrafitrasa eny ifotony ary ny 20% natokana ho an’ny fitantanan-draharaha. Ny tanjona dia ny fanohanana ireo asa fiarovana ny ala anatiny sy ivelan’ireo faritra arovana izay voakasiky ny fandaharanasa PRE-AA, ny fanitarana ny velaran’ala misy ary ny fankasitrahana ireo kaominina filamatra amin’ny fiarovana ny harena voajanahary. Zava-dehibe ny fanehoana an’itony fa moa ve tena mifanaraka amin’izany ny zava-misy eto ? Sao mba serasera hahazoana famatsiam-bola no betsaka ? Ao anatin’ny fotoanan’ny COP 28 mihitsy no mampiaka-peo ny tambajotran’ny firaisamonim-pirenena misehatra amin’ny tontolo iainana eto an-toerana nahitana ny INDRI INDRI (Initiative pour le Développement, la Restauration Ecologique et l’Innovation), Alliance Voahary Gasy, ny Transparency International-IM,… nampaneno lakolosy eo anatrehan’ny tsindry samihafa mahazo ny mpiaro ny tontolo iainana, fampihorohoroana, famonoana, tsy fandaniana ny lalàna mikasika azy,… Manampy trotraka izany ireny fanjakazakana amin’ny famotehana tontolo iainana ireny hoe : solombavambahoaka anatin’ny vovonan’antokon’ny fitondrana no voalaza ho nampiasa ny anaran’ny Antemierampirenena amin’ny taratasy tsy ara-dalàna hitaterana hazo avy amin’ny ala harovana. Moa mba voakitikitika ? Moa tsy maneho ny tari-bato vilam-bava ? Moa mba ampy ny fitaovana hihatrehana ny loza toy ny fahamaizan’ny ala sy ny faritra arovana ? Moa mba tena hivoaka ny marina momba ireny vahiny tratra nitrandraka harena an-tsokosoko ireny ?
Efa mahatratra 90 000 hektara ny velarana ala very isan-taona. Tafiditra anatin'ireo toerana be fandripahana ala indrindra eto an-tany na "Front de la déforestation" i Madagasikara raha ny tatitry WWF tamin'ny 2021, na dia manankarena sy miavaka aza ny zavamananaina ao amin’ny alantsika. Saika ny 90%-n’ireo karazan-javamanan’aina hita eto Madagasikara dia tsy hita any an-kafa, saingy potika ny tontolo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.