Actualités

Fiaran’ny manampahefana Be no manararao-pahefana


  • Talata 27 Mey 2014

Maro no sosotra sy sorena manoloana ny fanararaotam-pahefana ataon’ireo fiarana manampahefana sasany eto amintsika eny an-dalambe eny.

 Tsy misy sokajiny sy fitsipika intsony mantsy fa dia samy mampaneno kiririoka na anjomara sy misongona izay tiany hosongonana, manivaka, mandeha amin’ny lalana tsy azo ifanenana, tsy araka ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana intsony ny manampahefana sasany. Ary ny mahagaga dia toa samy manana fiara raitra dia raitra ombana fiara roa na telo miaraka amina mpiambina manokana avokoa ireo manampahefana ireto. Tsy misafidy ora sy fotoana fa rehefa maika izy ireo dia mirifatra ary tsy maintsy omen-dalana. Masiaka ery mibaiko ny fiara hafa haka sisiny ny mpitandro ny filaminana manaraka ireto manampahefana ireto.

Tokony ho fantatry ny rehetra anefa fa ireo lehiben’andrim-panjakana ihany no afaka manana mpisava lalana (moto na fiara) mampaneno kipantsona sy kiririoka rehefa tena misy ny dia maika tsy maintsy alehany. Ny atao hoe filohan’andrim-panjakana eto Madagasikara dia ny filoham-pirenena, ny praiminisitra, ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny filohan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, manampy ireo ny filohan’ny rafitra mety vonjimaika na maharitra natsangana nandritra ny tetezamita tahaka ny CENI-T, FFM, CMDN. Tsy tafiditra ao anatin’ireo ny minisitra, loholona, solombavambahoaka, mpanolotsaina manokan’ny filoha na an’ny praiminisitra na an’ny minisitra na tale jeneraly eny amin’ny minisitera.

Tsy rehefa hoe fiara misy an’ilay saina kely (cocarde) ka mandrehitra jiro sy mandeha mafy dia tsy maintsy omena lalana, fa ireo lehiben’ny andrimpanjakana notanisaina teo ireo ihany no manana ny zo sy fahefana hanao izany. Asa na mahafantatra tsara izany ihany na tsia ireo manampahefana eto amintsika fa atsipy ihany ny teny any am-pon’ny mahay mba hanitsiana ny tsy mety natao sy hifanajana ihany koa ary hialana amin’ny fanomezana fahasorenana ny hafa. Inona moa no fandrosoana sy filaminana azo antenaina eto raha toa ka ny manampahefana indray no mandika lalàna sy manakorontana ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT