Actualités

Fiaramanidina kely nidaraboka 5 maty tsy tra-drano


  • Talata 19 Jona 2018

Fiaramanidina kely marika PA31 Navajo mitondra ny laharana 5R-MKF, an'ny kaompaniam-pitaterana tsy miankina Madagascar Trans Air (MTA) no niharam-boina omaly maraina manodidina ny tamin’ny 9 ora sy sasany teny Ampangabe Ambohitrimanjaka, teo amin’ny toerana antsoina hoe “Delta V”.

Niala teny amin’ny seranan’Ivato izy io, ary nandeha nanao sidina fanazarana na “vol d’istruction” ny tao tao anatiny niisa 5,ka mpianatra ho mpanamory ny 4 Jeneraly ambony iray avy amin’ny tafika ana habakabaka ny iray. Ireto avy ny anaran’izy 5 mirahalahy mianaka izay namoy ny ainy ireo: Ranaivoarison Claude Albert (Mpanamory), Razafindrakoto Eddie Charles (Général de Brigade), Razafindrakoto Andy, Razafimanantsoa Kevin, Andrianarijaona Mamy Tahiana. Niodina tsy toy ny fiodin'ny fiaramanidina rehetra, fa toy ny tandrimo, ary nitsatoka ny lohany avy eo nipoaka, hoy ny fanzavana tsotsotra nataon’ny nanatri-maso, izay nampandre ny manam-pahefana sy ny mpamonjy voina. Voalaza moa fa olona efa manana traikefa ireo mpandeha ary tsy vao sambany no nanao fanazaran-tena, saingy izao tratry ny loza tampoka, izay tsy mbola voafaritra mazava ny antony izao. Tsy nisy rahateo ny “boîte noire” na ny karazana boaty mirakitra ny zava-niseho rehetra, toy ny olana teknika nahazo ity fiaramanidina hanamorana ny fanadihadiana. Raha ny fanazavana teknika tsotsotra moa dia tsy dia ahitana io karazana boaty io ny fiaramanidina tsy mahazaka mpandeha mihoatra ny sivy. Efa mandeha ny fanadihadian’ny avy amin’ny minisiteran’ny fitaterana eo anatrehan’ity loza mahatsiravina ity. Omaly ihany moa dia nalaina teny tamin’ny alalan’ny angidim-by teny an-toerana ireo razana. Ny Gazety Tia Tanindrazana dia maneho fiombonan’alahelo sy mirary fiononana feno ho an’ny fianakavian’ireo namoy ny ainy.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT