Anisan’ny teny filamatry ny avy eo anivon’ny Eglizy Katolika Romanina eto Madagasikara na EKAR ny hoe « Reseo amin’ny soa ny ratsy ! ».
Ambentin-tenin’izy ireo sy ny avy eo anivon’ireo fiangonana Kristianina mivondrona eo anivon’ny FFKM ihany koa ny hoe feno faharatsiana, fahalovana, kolikoly ny fiarahamonina ankehitriny. 6 taona izay no naharenesana an’io. Tsy ny manampahefana ihany no voalaza ho misy maloto fo sy difotry ny fahalovana fa ny rehetra mihitsy. Miroso amina dingana vaovao hatrany ny fiangonana mikasika ity ady iray maha difotra ny fiarahamonintsika ity. Omaly, ohatra, ireo laika eo anivon’ny FJKM dia nanasonia fifanaraham-piaraha-miasa tamin’ny Bianco tetsy amin’ny Le Pave Antaninarenina. Nanatontosa atrikasa mifandraika amin’izany tao an-toerana koa ry zareo avy eo anivon’ny hetsiky ny fiarahamonim-pirenena Rohy. Raha ny zava-misy anefa hatreto dia mbola mampanahy noho ireo 2 taona farany indray aza ny fiakaran’ny taham-pahalovana noho ny fisian’ny tsy fitoniana eto amin’ny firenena, araka ny famakafakan’ireo mpahay politika.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.