Actualités

Fiaraha-mitantana Antoka hamerenana ny famatsiam-bola


  • Alatsinainy 03 Janoary 2011

Na dia manam-paniriana mafy ny hitantana samirery ny firenena aza i Andry Rajoelina dia tsy maintsy miara-miasa ihany amin’ireo ankolafy politika hafa, noho ny tsy fisian’ny fanampiana ara-bola avy any ivelany mihitsy tato anatin’ny roa taona.

Ekena fa nisy ihany ireo fanampiana ho fanohanana ireo tetik’asa miahy ny maha olona, saingy manify dia manify izy ireny raha oharina amin’ny filàn’ny fanjakana sy ny firenena. Mialohan’ny hananganana ny governemantan’ny firaisam-pirenena sy hanovana endrika ireo rafi-panjakana misy ao anatin’izao tetezamita izao dia mbola niala nenina ka nitady mpanam-bola mety hiara-hiasa aminy tany Azia i Andry Rajoelina, saingy tsy nisy tena nazoto ny hampiasa ny volany eto Madagasikara ny ankamaroan’ireo mpandraharaha aziatika sy arabo noho ny fahafantarany fa mbola tsy tafapetraka eto ny fitoniana ara-politika ka noho izany tsy azo antoka firy ny fampiasam-bola.

Ankoatr’izay moa dia tena nanaratsy endrika ny FAT ny fahafantaran’izao tontolo izao fa maro amin’ireo olona ambony eto amin’ny firenena no tafiditra ao anatin’ny trafikana “bois de rose”, koa tsy mahagaga raha misalasala ny olona ny hampiasa vola eto. Ka noho izany dia tsy manan-tsafidy afa-tsy ny fanatanterahana ilay fiaraha-mitantana ny tetezamita i Andry Rajoelina sy ny ekipany satria io ihany no azo antoka fa hitondra any amin’ny fankatoavana iraisam-pirenena, ka hamerina miandalana ny famatsiam-bola vahiny. Ekena mihitsy fa mbola manodidina ny 850 tapitrisa dola ny tahiry vola vahiny ao amin’ny Banky foiben’i Madagasikara, ary izay no tsy nampitotongana ny sandan’ny ariary tato anatin’ny roa taona latsaka nisian’ny krizy, fa na izany aza dia tsy hanavotra mandrakizay ny toekarena Malagasy io fa tsy maintsy mila ny fanampiana avy any ivelany isika.

Azo atao hoe nety sy nisy vokany ihany koa ny politikan’ny fitsitsiana nataon’ny fitondrana tetezamita, saingy misy fetrany ihany ny fampiharana izany. Efa somary mafy ihany izay roa taona izay, koa mety hitombo isa indray ireo tsy faly amin’ny fitondrana tetezamita raha toa ka mbola hitaona ny olona hiafy indray ny mpitondra, fantatry ny FAT tsara izany ka izay no mahatonga azy ireo manomboka manaiky ny handinika sy hizara seza amin’ny Ankolafy Telo, satria izay ihany no tena vahaolana. Ny tena marina koa dia tsy dia afaka mihavana tsara ihany ny ankamaroan’ireo mpanao politika fa ireo filohan’ny ankolafy no mety samy be hambo ka mampitarazoka ny famahana ny krizy, raha ny fahitana azy hatreto anefa dia efa samy manaiky ny hilefitra ihany izy efatra mirahalahy koa dia ho hita eo ny tena fampiharana izany fa tsy ho vitan’ny fanambarana am-bava sy an-tsoratra tahaka ny nisy hatrizay fotsiny izany.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT