Mamita iraka mandritra ny efatra andro eto Madagasikara ny filoha lefitry ny Banky Iraisam-pirenena misahana an’i Afrika, Makhtar Diop manomboka anio.
Midika fiverenan’ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy ny Banky Iraisam-pirenena amin’ny laoniny izao fitsidihany izao, hoy i Mark Lundell, tomponandraikitry ny asa sahanin’ity mpamatsy vola ity eto Madagasikara. Hahalala bebe kokoa ny zava-misy iainan’ny vahoaka izay ahafahany manamafy ny tantsoroka amin’ny asa fampandrosoana an’i Madagasikara, indrindra amin’ny fanatsarana ny lafiny ara-pahasalamana sy ny fanabeazana izany, hoy izy.
Hihaona amin’ireo mpitondra isan-tokony, ny mpandraharaha ary ireo mpiara-miombon’antoka isan-tokony i Makhtar Diop amin’izao diany izao ankoatra ny dia hataony any Nosy Be. Hijery ifotony ny asa sahanin’ny tetikasa Pôle Intégré de Croissance sy ny fizotry ny Programme Environnemental 3 any an-toerana ny tenany. Samy vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena ireo tetikasa ireo. Mandritra izao diany izao koa no hanolorany ny vokatry ny fanadihadiana ara-toekarena sy sosialy eto amin’ny firenena izay notontosain’ny banky. Handinika miaraka amin’ny governemanta Malagasy ny lasitry ny fiaraha-miasa vaovao koa ry zareo. Marihina fa misy 10 amin’izao ny tetikasa vatsiany izay mitotaly 701,50 tapitrisa dolara.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.