Actualités

Fiaraha-miasa Hanohy ny fanampiany ny Amerikanina


  • Zoma 13 Jolay 2018

Tonga nitsidika tamin’ny fomba fifanajana an’ny praiminisitra, Ntsay Christian, ny tale jeneraly misolo toerana eo anivon’ny USAID, Chris Milligan, niaraka tamin’ny Mpiandraiki-draharahan’ny Masoivoho Amerikanina, miasa sy monina eto Madagasikara, Stuart Wilson omaly.

 
  Nambarany fa nanararaotra ny fotoana omaly ny tenany hiresahana ny fanatsarana ny fiaraha-miasa efa nisy hatrizay, sy nijery ihany koa ny hanitarana izany amin’ny sehatra hafa ary nampahafantarana ireo zava-bitan’ny governemanta amerikanina, nentiny nanasoavana ny vahoaka Malagasy tamin’ny alalan’ny USAID. Nanambara i Suart Wilson fa manomana lamin’asa hanampiana ny firenena Malagasy ny Amerikanina amin’izao fotoana izao. Marihina fa tetikasa fampandrosoana miisa fito eny anivon’ireo ministera no vatsian’ny USAID, momba ny fahasalamana, ny fambolena sy ny fanjariantsakafo, ny tontolo iainana, ny fiatrehana ireo loza voajanahary, ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina, ny fanohanana amin’ny resaka fifidianana ary ny fampianarana. Fotoana ihany koa niarahabany ny praiminisitra noho ny nanendrena azy hitantana ny governemanta Malagasy, omaly.


Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT