Nivadika tao Mandraka ny sabotsy tolakandro teo ny fiarabe iray mpitatitra solika avy any Toamasina. Fiolahana ny toerana nitrangan’ny loza ka nivarina tany an-kady avy hatrany ilay fiarabe raha iny izy niala sakana tampoka iny, araka ny fantatra. Maty tsy tradrano ny mpamily.
Potika tanteraka ny lohan’ny fiara. Nitobaka tany anaty rano avy hatrany ihany koa ny solika nentiny ary dia nanempotra ny fofona. Toy ny tantely naka vony ny fiara nandalo tamin’ny lalam-pirenena faharoa iny nanararaotra nameno ny rezervoarany avy. Nofenoina avokoa rehefa fitaovana azo nasiana solika toy ny dabandrano sy ny tavoahangy. Ireo fiara mpitatitr’olona no tena navitrika tamin’izany. Nisy ihany koa ny fiaran’olon-tsotra. Eo imason’ny mpitandro ny filaminana no nitrangan’izany. Omaly alahady tolakandro no nakarina avy ao an-davaka ilay fiarabe niharan-doza. Tonga tany an-toerana ny fiara mpitatitra solika an’ny orinasa Galana mba haka ny sisa tavela. Tsikaritra ho nisy fiarana manampahefana ara-panjakana ihany koa tany an-toerana. Niteraka fitohanana kely ny asa fanesorana ilay fiara niharan-doza saingy tsy dia naharitra loatra. Antambo ho an’ny tontolo iainana ny fitobahan’ny solika marobe toy ireny, ankoatra ny famoizana ain’olona sy ny fahasimban-javatra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.