Notokanana omaly ireo toeram-piantsonana taxibe vaovao namboarin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny zotra 119 mampitohy an’i 67ha amin’Ankatso.
Raha fiantsonana tsotra no hita eny Ambohijatovo, Anosy, Ampefiloha dia nampiana trano fivoahana sy fidiovana ny eny Ankatso ankoatra ny famindrana ny tsenan’i Tsiadana. Nasiana toeram-pivoahana koa ilay fiantsonana goavana eny amin’ny 67ha miampy ny fanatsarana ireo tranokely fivarotan-tsakafo masaka manamorona ny lalana ary ny lalana natao ho an’ny mpandeha an-tongotra. Tetikasa filamatra ao anatin’ny fanatsarana ny fifamoivoizana izy ity izay nandaniana 2,6 miliara ariary, famatsiam-bolan’ny «Région Ile de France». Efa-bolana ny faharetan’ny asa izay tokony ho vita tanteraka tamin’ny faran’ny volana desambra lasa teo araka ny hita amin’ireo takelaka hazo manazava ny asa tanterahana. Nisy fahatarana iray volana sy tapany ny fahavitan’ireo fotodrafitrasa ireo saingy na izany dia mbola maro ireo ny tsy fahatomombanana tsikaritra amin’izy ireny.
Misy faritra sasany amin’ny fiantsonana etsy Ambohijatovo, ohatra, no tsy mbola rakotra tara. Manaitra ihany koa ny fahitana toeram-pialofan’ny mpandeha mihataka ny fiantsonana sasany toy ny etsy Anosy manolotra ny RNM. Tsy maintsy notokanana anefa ireto fiantsonana ireto satria mandalo eto an-toerana hamaritra ireo asa manaraka hovatsiany vola ny «Région île de France» tarihin’ingahy Jean Vincent Placé, filoha lefitra voalohany misahana ny fitaterana. Laharam-pahamehan’ny Kaominina sy ny mpiara-miombon’antoka aminy amin’ity taona 2011 ity ny fanitarana ny zotra filamatra amin’ny zotra hafa sy ny fanajariana ny lalana natokana ho an’ny daholobe. Dimy hetsy euros no hatokana amin’ity sehatra ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.