Actualités

Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara Miezaka hamerina ny Radio Fahazavana


  • Alatsinainy 17 Janoary 2011

Tafiditra ao anatin’ny soritrasan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) amin’ity taona 2011 diavina ity ny hamerina ny Radio Fahazavana, onjampeon’ny fiangonana.

Maniry ny FJKM mba hohainoin’ny Fanjakana ny fangatahan’izy ireo. Anisan’ny nivoitra io tamin’ny tafa fohy nifanaovana tamin’ireo tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny birao foiben’ny FJKM, dia ny filohany Rasendrahasina Lala Haja, Mpitandrina sy ny Sekretera jeneraly, Marinasy, Mpitandrina, tetsy Antsahamanitra omaly alahady 16 janoary. Tamin’io koa no nanatanterahana ny fanompoam-pivavahana fisaorana sy fangataham-pitahiana ho an’ny tanindrazana sy ny asan’ny fiangonana ary ho fitondrana am-bavaka ny filohan’ny FJKM sy ny ankohonany. Vory lanona nandritra ity fotoana ity ny kristianina maro. Nifanotrona tao ny mpianakavin’ny finoana, nahitana ireo mpitandrina efa misotro ronono, ireo am-perinasa, ireo tompon’andraikitra isan-tsampana. “Manambara ny tenany amintsika ny Tompo” no teny nofinidy nitondrana ity fotoana ity. Ny fiangonana mamirapiratra amin’ny finoana no anisan’ny tanjon’ny fiangonana. Taorian’ny fotoana koa niresahan’ny filohan’ny FJKM, Lala Rasendrahasina mikasika ny fiainam-pirenena, ka nilazany tamin’ny teny fohy fa “tsy manjaka ny fihavanana, tsy misy fahamarinana ary tsy misy filaminan-tsaina”.

Jean D.
 
Sary : Fiaraha-mivavaka tao Antsahamanitra ny alahady 16 janoary 2011 (sary : Rakotobe Michel)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT