Anisan’ireo Raiamandreny tranainy nanajary ny tany voalohany tetsy Ankadimbahoaka, toerana nisian’ny fandravan-trano ny alatsinainy 19 mey teo, i dadabe Razafiarivony Rémi sy mamabe Razanatoandro Delphine vadiny.
Tamin’ny 80 taona lasa izy ireo no efa nanorim-ponenana teo taorian’ny nahavitan’ny mariaziny. Niteraka valo mianadahy izy roa ary manan-jafiafy miisa 15. Valo tafo ireo trano naorin’izy ireo sy ny zanany teo amin’io toerana io niampy roa azy mivady. Samy tsy manan-trano izy ireo ankehitriny vokatry ny fakan’ny orinasa Filatex ny taniny. Raha araka ny resaka nifanaovan’ny Tia Tanindrazana tamin’izy mivady zokiolona ireto dia 5 hetsy Ar tamin’ny 20 taona lasa no tentim-bidin’ny trano iray ho an’ireo zanany. Tsy misy rihina izy io saingy misy efitrano roa isanisany. 20.000 isa ny biriky lanin’izy ireo tamin’izany niampy tafo miisa 20 raha kely. Nafoy tao anatin’ny indray mipi-maso izany nanomboka ny alatsinainy 19 mey 2014 teo ankoatra ny entan’izy ireo izay potika tanteraka avokoa toy ny vata fahitalavitra, ny bahut… Eo amin’io toerana nandravana ny tranon’izy ireo io ihany izy ireo no matory amin’ny alina mandra-pisian’ny vahaolana. Raha araka ny fanazavan’izy ireo moa dia efa misy olona misoloky azy ireo sahady tonga any amin’ny orinasa Filatex milaza ny tentim-bidin’ny zavatra simba rehetra. Omaly dia nosavilian’ny Mapar resaka politika indray ity olan-tany teny Ankadimbahoaka ity ka nanatitra vary iray gony isam-pianakaviana ho an’ireo rava trano teny an-toerana izy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.