Fotoana mampirongatra ny fitsoahana fonja ny andro fety tahaka izao, dia ny krismasy sy ny faran’ny taona. Noho izay indrindra dia nohamafisina ny fiambenana ny fonjaben’i Toamasina, satria efa maro ny zava-nisy sy ny tranga niainan’ireo mpandraharaha ny fonja raha manakaiky tahaka izao andro fety.
Araka ny nambaran’ny Talen’ny fandraharahana ny fonja ao Toamasina, Atoa Mahatama dia «efa tena ‘consignés’ avokoa ny mpiasa mpandraharahan’ny fonja amin’izao fotoana izao, izay efa natomboka tamin’ny 17 novambra teo ary tsy hifarana raha tsy ny tapaky ny volana janoary ny taona vaovao any». Nambarany hatrany fa fotoana mahabe fakam-panahy ny voanfonja, indrindra ireo tena atahorana sy mifonja ela noho ny heloka vitany ny vanim-potoan’ny fety tahaka izao, satria maresaka ny tanàna sy ny fety maro henony etsy sy eroa, ny fonja rahateo amoron-dalana sy afovoan-tanàna rahateo raha ny ao Toamasina.
Na izany aza, nohamafisin’Atoa Mahatama hatrany fa miankina amin’ny fahitan’ny OMC ny zava-misy ihany ny fanampiana ataon’ny Emmo-Reg azy ireo, «tsy afaka mibaiko azy ireo izahay fa tsy manana fahefana amin’izany», hoy izy. Mazava rahateo ny lalàna fa ny anatiny sy ny tontolon’ny fonja anjaran’ny mpandraharaha ny fonja, fa ny ivelan’ny valaben’ny fonja kosa anjaran’ny Emmo-Reg, ka samy misahana ny asany sy ny andraikiny. Raha fotoana tena fitsoahana fonja ataon’ireo voafonja ny volana desambra sy janoary, dia hatramin’izao aloha araka ny vaovao azo teo anivon’ny fonjaben’i Toamasina, dia mbola milamina ireo voafonja ireo, miankina amina zavatra maro mantsy ny fivoaran’ny raharaha, ary efa eo am-panaraha-maso ireo tena heverina fa ‘mafaika’ izy ireo ankehitriny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.