Actualités

Fiakarana ho jeneraly Manomboka mampiaka-peo ny kolonelin’ny andiany faha-11


  • Alarobia 29 Desambra 2010

Manamboninahitra kolonely miisa 26 no nakarina ho jeneraly ny 15 desambra lasa teo. Mahakasika iny zava-nitranga iny dia fantatra fa manomboka mampiaka-peo ireo kolonely maromaro tsy nahazo izany kanefa efa misy zokin’ireo sasany nahazo amin’ny andiany (promotion).

Ireo izay teo anivon’ny andiany faha-11 no tena tezitra momba ity raharaha ity. Raha ny fantatra dia efa manomboka misy ny fivorivoriana etsy sy eroa amin’izao fotoana ary anisan’ny tapak’ireo, raha ny tsiliantsofina re, ny fangatahana fihaonana amin’i Andry Rajoelina ato ho ato. Hatreto aloha dia ny fanompoana ny mpitondra no mibahana eo amin’ny fampiakarana galona ho jeneraly. Manaporofo an’izany mibaribary ny an’ny kolonely sasantsasany izay mivarotr’aina mihitsy mba ho fiarovana ny tetezamita. Fantatry ny maro avy hatrany izany manamboninahitra izany na tsy holazaina eto aza. Izy anefa dia tamin’ny andiany faha-13 no nisy azy tao amin’ny ACMIL (Akademia Miaramila). Dia  nakarina Jeneraly soa aman-tsara, teo anoloan’ireo zokiny marobe izay mbola miandrandra hatrany io galona io. Tsy mahagaga, araka izany, raha manomboka mampiaka-peo amin’izao fotoana ireo eo anivon’ny andiany faha-11. Efa manakaiky azy ireo koa ny fisotroan-dronono ka mainka koa ho sarotra ny fiakarany ho jeneraly. 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT