Actualités

Fiahiana ara-tsosialy Nahazo masoivoho vaovaon’ny CNaPS i Mahanoro


  • Alatsinainy 28 Mey 2018

Miezaka hatrany manakaiky ny vahoaka ny Tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy na ny CNaPS.

 

  Masoivoho vaovao no nosokafana ny zoma 25 mey lasa teo tao amin’ny kaominina an-drenivohitr’i Mahanoro. Ity Masoivoho vaovao ity dia hiasa ho an’ireo distrika efatra manodidina, dia i Marolambo, Tanambao Manampotsy, Vatomandry ary Mahanoro ka i Tsarafara Jean Dieu donné no hitantana azy. Tsy mila mandeha anyVatomandry intsony ireo mpiasa ao anaty distrika raha hikarakara taratasy mahakasika ny fiahiana ara-tsosialy. Marihina fa ity Masoivoho ity dia mbola trano hofaina ihany. Fa talohan’ny lanonam-panokafana izay notarihin’ny Tale Jeneralin’ny CNaPS Atoa Arizaka Rabekoto Raoul, izay notronin’ny lehiben’ny faritra Atsinanana Talata Michel, ny lehiben’ny distrikan’i Mahanoro Rajaonah Ziky Nestor, ny ben’ny tanàna Rasolotiana Jonah sy ny olomanan-kaja sivily sy miaramila maro samihafa dia  nisy ny fametrahana vato mariky ny hanombohan’ny asa fanamboarana fotodrafitrasa  vaovao any an-toerana tao amin’ny fokontany Papagnambo, izay vao miditra ny tanàna. Fotodrafitrasa manara-penitra izay ahitana trano lehibe 5 misy rihana 4 avy miampy tranobe iray, misy rihana iray atao toeram-piasan’ny CNaPS.

Nandritra ny kabary nataony dia nanamafy ny Tale Jeneralin’nyCNaPS, fa : “ na dia misy  aza ny savorovoro politika eto amin’ny  firenena dia tsy manakana ny CNaPS  hanao ny asany izany ho tombontsoan’ny vahoaka. Sanatria tsy ho tombontsoan’olona tokana na kajy politika no anaovana izany, izay tsy ijerena firehana na fivavahana fa ho an’ny vahoaka Malagasy tsivakivolo sy ny taranaka faramandimby ». Nohamafisin’Atoa Tale jeneraly fa : « Tsara ihany koa dia ny mbola kely dia efa ampianarina ny ankizy mba ho tsapany ny maha zava-dehibe izany fiahiana ara-tsoasialy izany, mba hahafahan’izy ireo mandresy lahatra ny ray aman-dreniny hiditra ho mpikambana mba hisitrahan’izy ireo ny zony ara-pahasalamana sy ara-tsosialy ».

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT