Actualités

Fiadidian’ny Repoblika Manome 15 andro hamerenana ireo fiarany misy mampiasa


  • Zoma 20 Janoary 2023

Raikitra ny fitakian’ny Fiadidian’ny Repoblika ireo fiara voalaza fa azy sy misoratra aminy, saingy lasa miparitaka any amin’ireo sampan-draharaham-panjakana samihafa toy ny minisitera na rantsa-mangaikan’ny Fanjakana,

eny misy am-pelantanan’olon-tsotra izay tompon’andraikitra teo aloha aza. Niainga avy amin’ny torohay nangonin’ny Fiadidian’ny Repoblika ary nohamarinina teo amin’ny Ivon-toerana momba antontan-taratasin’ny fiara na “Centre immatriculateur” io. Nankatoavin’ny Filankevitry ny minisitra ny alarobia teo noho izany ny fanangonana ireny fiara ireny, ka nanaovan’io andrim-panjakana io antso ho an’ireo olon-tsotra na sampan-draharaha mitazona ireo fiaran’ny Fiadidian’ny Repoblika mba hamerina izany ao anatin’ny 15 andro nanomboka tamin’ny fandraisana ny fanapahan-kevitra teo anivon’ny Filankevitry ny minisitra ny 18 janoary 2023. Eo anivon’ny “Direction de l’Infrastructure de la Logistique” izay fitaleavana eo anivon’ny Prezidansa no hanaovana ny fanaterana. Hiditra avy hatrany amin’ny fandraisana fepetra mifanandrify aminy ny Fiadidian’ny Repoblika ka haka ny fiara mba hisian’ny fitantanana ny fananam-panjakana araka ny tokony ho izy ao anatin’ny mangaraharaha tanteraka, hoy ny fampitandremana. Voafehin’ny didim-panjakana N°93-894 ny fampiasana ny fiaram-panjakana ka anisany mazava ho azy ny eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika izay andrim-panjakana voalohany eto amin’ny firenena. Fampitandremana, sazy, fampidinana laharana arak’asa, fandroahana,… no mety ho setrin’ny tsy famerenana, raha ny notaterin’ny fampahalalam-baovao iray izay nanontany mpahay lalàna. Mety hampigadra hatrany amin’ny 5 taona sy handoavana lamandy 10 800 000 Ar. Zava-dehibe ny fitakiana ny famerenana ny fiaran’ny Fiadidian’ny Repoblika na andrim-panjakana hafa : fa rahoviana vao mba hisy fe-potoana 15 andro hamerenana ny volamena 36kg nanjavona tao anaty Biraom-panjakana? Ny volan’ny coronavirus voahodinkodina ? Ny volam-panjakana hatrany amin’ny 52 miliara voahodinkodina nandritra ny 8 volana voalohan’ny 2022 sy ny maro hafa ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT