«Kere ‘ty ndaty». Nisy akony sy fiantraikany tamin’ny fanamarihana ny fetin’ny reny ny alahady teo, ny krizin’ny hasarotam-piainana misy amin’izao.
Tia mifety ny vahoaka ao Toliara, nefa somary nangingina sy nohamaivanina tsy toy ny fahita saika isan-taona ny fetin’ny reny tamin’ity indray mitoraka ity. Na ny mpivarotra na ireo olona nohadihadiana dia samy nahatsapa izany avokoa. Samy niezaka ny tao an-trano, nitondra ny anjara fanomezana ho an’i Neny, arakaraka ny teo am-pelatanana. Ratsy ny tsena, hoy ireo mpivarotra. Ny entana vita sinoa mora vidy takatry ny maro sy ny ranomanitra no tena be mpanjifa tamin’ny ankapobeny. Ny alahady hariva teo, feno hipoka mpijery ny tao amin’ny kianja «Jardin de la mer» amoron-driaka nanatrika ny fampisehoan’ny tarika Black Nadia sy ny mpandihiny. Nalai-nisaraka ny rehetra na dia namirifiry aza ny hatsiaka.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.