Actualités

Fetiben’ny FAT Any am-ponja ireo sivy lahy voasambotra tao Mahamasina


  • Zoma 17 Desambra 2010


Omaly ihany koa no nentina tetsy Anosy ireo sivy lahy izay voasambotra nandritry ny fetiben’ny FAT tao amin’ny kianjan’i Mahamasina ny sabotsy 11 desambra lasa teo. Nanao fanamiana mitovy izy ireo ary nahitana antsy (kely) iray. Nolazaina ihany koa fa naherihery setra taman’olona. Izay rehetra izay no antony nisamboran’ny Emmo-Reg azy enin-dahy (tamin’ny voalohany) tao Mahamasina. Raha araka ny fanampim-baovao dia nanoro lehilahy telo hafa indray ireo taorian’io.

Nisy ny fisamborana teny Ambohimanarina sy teny Anosizato momba ity raharaha ity, raha araka ny fanazavana azo tamin’ny mpitandro ny filaminana. Samy naiditra am-ponja vonjimaika izy ireo rehefa voarohirohy ho mpanakorontana ny fety tao Mahamasina. Marihina etoana fa efa naterin’ny zandary tao amin’ny polisin’ny boriborin-tany fahadimy ireo olona ireo rehefa voasambotra. Izy ireo efa naratra be noho ny daroka anefa dia nolavin’ny polisy ny hitazomana an’ireo. Teo no voatery nentina teny Fiadanana ary notazomina sy nohadihadiana teny. Tonga hatramin’ny hoe nisy grenady nentin’ireo, raha ny tsiliantsofina re. Ny mpanao fanadihadiana no mahalala izany saingy raha ny hitan’ny polisy maso teny Mahamasina aloha dia antsy kely iray toy ireny fanapahana koba ireny no hita teny amin’ireo voalaza ho mpanakorontana ireo. 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT