Actualités

Fetibe amin’ny sabotsy Vola amina miliara atao fafikatrana


  • Zoma 10 Desambra 2010

Artista vahiny iray fotsiny no karamaina amina miliara. Manginy fotsiny ireo fandaniam-bola hafa toy ny fanafarana afomanga, ny karaman’ireo mpanentana sy artista gasy miisa 30, raha tsy hilaza afa tsy ireo.

Mirarakompana ny vola miasa amin’io andro io, tsy azo lavina intsony izany. Mifanohitra tanteraka amin’ny fanoherana etsy sy eroa, raha tsy hilaza afa tsy ny grevy izay saika mahakasika ny mpiasam-panjakana rehetra amin’izao fotoana izao. Eo ihany koa ny eny Ankatso izay ahiana ho taona fotsy amin’ny herintaona noho ny tsy fisian’ny vola entina hanodidina azy. Ny mahamay ny FAT anefa dia ny hanao fetibe sy mijery ireo olona noana...mijery fety. Raha ny amin’ny niavian’ny vola nentina hikarakarana an’io indray dia tsy mba misy ny mangarahara momba izany. Ny resaka mandeha dia hoe misy Frantsay mamatsy betsaka, eo ihany koa ireo Karàna tompon’ny kolikoly eto an-tanàna.

Mazava be ny tanjon’izy ireo amin’izany fa entina hanamorana ny bizna. Efa fantatra fa tsy hahazo ny fankasitrahana iraisam-pirenena akory io repoblika fahefatra sy ny fanovana lalàmpanorenana io fa dia mikiribiby io ny FAT, tsy miraharaha izay akony akory. Niteny ny Amerikana dia nolazaina fa manompa ny Malagasy. Miteny ny SADC dia lazaina fa manapoizina ny Malagasy. Dia naroso hatrany izay tao anaty eritreritry ny FAT izay maika amin’ny fisehosehoana sy ny fetibe rehefa avy managadra ireo tsy mitovy hevitra aminy sy mba mitari-tolona. Tadiavina koa ny mba hanaovana io fety io ho isan’ny raitra ary tonga hatramin’ny fanakaramana mpitandro ny filaminana marobe mihitsy. Raha tsy hilaza afa-tsy ny pôlisy vavy izay raha ny re izao dia omena tambin-karama 20.000 ariary tsirairay aorian’ny filatroan’izy ireo. Kivy tanteraka ny olona manoloana ny zava-mitranga. Ny mamono tena isan’andro, ny tsy fandriampahalemana, ny matin’ny hanoanana saika isan’andro no misy izany. Kanefa ny mahamaika dia ny fetibe…

 r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT