Actualités

Fenoarivo Atsinanana Zazalahy 13 taona tafaporitsaka teo am-pelatanan’ny mpaka an-keriny


  • Zoma 16 Mey 2014

Malaza ao Fenoarivo Atsinanana indray ny resaka hala-jaza tato ho ato. Mivoatra hatrany ny vaovao voaangona momba azy ity, ary voatery nanao fanadihadiana lalina mikasika ny raharaha ny zandary any an-toerana. Zazalahy iray 13 taona mantsy no tafaporitsaka tamin’ny toerana nihazonan’ireo mpaka an-keriny azy ny fiandohan’ny herinandro teo.

 Reraka be ilay zazalahy tamin’ny fotoana nahitana azy ka voatery naiditra hopitaly tany an-toerana mihitsy ary ambenana mafy ihany koa. Io zazalahy io no nitantara ny zava-nanjo azy izay nambarany fa nanaraka moron-dranomasina ny lalany tamin’ny fitsoahany. Rehefa nohadihadiana hatrany izy dia lalana mihazo an’i Toamasina raha avy ao Fenoarivo Atsinanana, izay heverina fa manodidina ny Fokontany Sahorana sy Mahambo no mety nihazonana an-keriny azy. Niezaka ny nisava ny ala manamorona ny Fokontany Sahorana, izay 6km miala an’i Fenoarivo Atsinanana  ny zandary tany an-toerana saingy tsy nahita na inona na inona. Nambaran’izy ireo anefa fa tsy hijanona amin’izao izy ireo, fa hanohy ny fikarohana mba hanafaizana ireo mpanao ity hala-jaza ity.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT