Actualités

Fefiloha sy lalana eto Analamanga Havotana mialoha ny fahavaratra


  • Alakamisy 02 Aogositra 2018

Tontosa omaly alarobia 1 aogositra tetsy amin’ny birao fiadidiana ny faritra Analamanga etsy Ambohidahy ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa eo anivon’ny fiadidiana ny faritra sy ireo kaominina miisa 9 manana fefiloha sy lalana mila avotana mialoha ny fahavaratra eto Analamanga.

 

 Araka ny nambaran’ny lehiben’ny faritra, Ndranto Rakotonanahary, dia fefiloha miisa 5 dia ny ao Soavina, Ampanefy, Soalandy, Iharanarivo ary Ankadikely Ilafy no hisitraka ny fanatsarana maharitra raha natahorana hihotsaka teo na dia efa nisy aza ny asa tana-maro nifarimbonana taminy. 4 kosa ireo lalana dia ny mihazo an’Ampitatafika, Itaosy, Andranonahoatra ary Bemasoandro. Ny banky eoropeanina misahana ny fampandrosoana moa no mamatsy vola ny tetikasa, raha ny fanazavana, ary ny fitondram-panjakana malagasy kosa no miantoka ny fahatomombanan’izany. Mitentina 40 tapitrisa euro ny totalin’ny famatsiana saingy 4 tapitrisa kosa aloha no ho avy amin’izao fanombohana izao. Ezahana ho vita ao anatin’ny 1 na 2 volana farafahatarany ny asa mba tsy ho tratry ny fahavaratra, raha ny fanazavana hatrany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT