An-dalam-pahasimbana tanteraka amin’izao ary raha misy rotsak’orana indray monja dia ahiana ho vaky indray ny fefiloha Fiherena ao Toliara. Io no fantatra nandritra ny fandalovan’ireo manampahefana solontenam-panjakana tany an-toerana
. Fantatra ihany koa nandritra ny dinik’asa natao tao an-drenivohitry ny faritra Atsimo Andrefana, fa mbola hananan’ny orinasa SAMS BTP izay nanamboatra an’io fefiloha io vola 20 miliara ariary ny fanjakana, nefa dia mbola iangaviana indray ity orinasa ity amin’izao hanamboatra ity fefiloha mampitaintain-dava ny vahaoakan’i Toliara ity, na dia tsy voaloa ny volany. Samy niaiky ireo solontenam-panjakana tonga tany an-toerana nitsidika ity fefiloha ity, ary niray feo fa “ aleo tsy asiana fotodrafitrasa vaovao ny ao Toliara, toy izay tsy hamboarina ny fefiloha Fiherena “. Sanatria tokoa mantsy raha vaky io fefiloha io dia faty olona mikararana, isa ambony lavitra noho ny tranga tamin’ny rivodoza Haruna, ary ahiana ho rava tanteraka ny tanànan’i Toliara. Marihana fa manana halava eo amin’ny 14 km ity fefiloha ity.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.