Actualités

FAT Hakorontan’ny bizina !


  • Alakamisy 23 Desambra 2010


Manomboka mivoaka tsikelikely ankehitriny ny fifanenjehana momba ilay vato kristaly an-taonina izay nisy naka tao Antsirabe. Afak’omaly dia nitsangana vavolombelona ny nilaza ho tompony fa miaramila no naka ilay vato ary nilaza fa iraky ny fari-piadidiana ny tetezamita izy ireo. Nanazava mihitsy aza io olona io fa ny avy etsy Ambohitsorohitra no nanome baiko hitondrana io vato io. Omaly indray dia niezaka ny namoy ny avy etsy Ambohitsorohitra, indrindra fa ireo miaramila, ny amin’ny hoe ho fiarovana ny fananan’ilay Fokontany no antony nidiran-dry zareo an-tsehatra. Mifanohitra amin’izany anefa ny ambaran’ny gazety izay akaikin’ny FAT fa hoe miaramila no nandroba ilay vato tao Ambatoharananakely. Mifamahofaho ny vaovao mahakasika ity raharaha ity. Ny marina dia hita taratra fa hakorontan’ny bizina ny FAT ary mitady hifanenjika an-trano. Tsy vao voalohany rahateo akory ny tranga toy izao no niseho saingy ezahin’ireo hatrany ny manafina ny zava-misy sy mandamindamina ny raharaha ... 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT