Actualités

Fasan’ny Karana Nobahanan’ny mpitatitra ny lalana


  • Alarobia 26 Janoary 2011

Tapaka nandritra ny adiny roa sy sasany ny lalana tetsy amin’ny fasan’ny Karana omaly maraina.

Nobahanan’ireo mpitatitra nanomboka tamin’ny 9 ora sy sasany ka hatramin’ny 11 ora antoandro teo ho eo ny lalana noho ny fanoheran’izy ireo ny fanapahan-kevitry ny Kaominina izay nisintona ny taratasin’ny fiara mpitatitra amin’ny zotra nasionaly telo sy fiara karetsaka iray ankoatra ny fametrahana rojovy tsy ahafahan’ireo fiara ireo mihetsika (taquet d’arret). Nijanona nanaraka ny rindrina ivelan’ity toby fiantsonana ity ireo fiara ireo no nijanona ny mpiasan’ny Kaominina ka nanatanteraka ny asany. Nihevitra mantsy izy ireo fa manery ny lalana ka miteraka fitohanan’ny fifamoivoizana ny fijanonana amin’io toerana io.

Raha ny marina anefa araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny ATT eny amin’ny fasan’ny Karana dia efa nisy ny fifandaminana niarahan’ny kaoperativa 40 mahery, ny ATT, ny polisin’ny toby fiantsonana ary ny Kaominina momba ny fahafahan’ny fiara amin’ny zotra nasionaly mijanona amin’ilay toerana miandry ny laharany. “Fiara telo isaky ny kaoperativa ihany no mahazo miantsona ao anatin’ny faritry ny fasan’ny Karana ka rehefa misy lasa vao misolo hafa indray. Niandry laharana mandra-palalaka ny toerana, indrindra ireo fiara tao ivelany ka voasazy ireo” araka ny fanazavana fanampiny azo. Nidina teny an-toerana mihitsy ny Polisy avy eo anivon’ny Boriboritany fahadimy sy ny Polisim-pirenena vao nilamina ny raharaha. Ireto farany no nanome baiko hanesorana ilay rojovy tamin’ireo fiara ary namerina amin’ny tompony ihany koa ny taratasin’ny fiara. Efa tamin’ny 11 ora vao tontosa avokoa ireo fifandaminana ireo saingy mandrapahatonga tamin’io fifanarahana io dia nitohana izay tsy izy ny fifamoivoizana teny an-toerana.

 
Yves
 
 
 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT