Actualités

Fasan’ny Karŕna Amin’ny andro antoandro ny jiolahy no manakan-dalana


  • Talata 28 Desambra 2010


Tsy tahotra tsy henatra intsony ny an’ny jiolahy amin’ny fanatontosana ny asa ratsiny. Amin’ny andro antoandro be nanahary ary eo imason’olona maro koa no efa misy ny mpanakan-dalana. Miova kely fotsiny ny endrika isehoan’izany. Mody milalao eo afovoan-dalana ry zalahy na koa manao ireny fampisehoana kely amoron-dalana ireny. Mazava ho azy fa miteraka fitohanana izany. Eo amin’izany ny sasany no manomboka mitily tsikelikely ireo fiara izay tsy mihidy sy misy entana azo sintomina ao anatiny. Poa toa izay dia vita ny fanendahana manomboka eo. Maro no efa lasibatry ny asan-jiolahy toy izany. Tonga teny amin’ny polisy ny fitarainana ary nanomboka teo ny famandrihana ireo olon-dratsy. Olona sivy no voasambotra momba ity tranga ity. Nohadihadiana eny anivon’ny polisin’i Mahamasina izy ireo nanomboka omaly ary nilaza fa telo ny olona efa voaendaka anaty fiara, ny andron’ny nisamboran’ny polisy azy ireo. 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT