Mbola olana saro-bahana eny amin’ny faritra iva ambany tanàna hatramin’izao ireo rano miandrona maloto makarary mampirongatra ny valanaretina samihafa, toy ny aretin-koditra sy fitaovam-pisefoana, ny aretin-kibo sy areti-maso,
ary lasibatra ny zaza madinika. Raha ny zava-misy etsy amin’ny fokontany Ankasina sy Antetezana Afovoany, dia hatreny am-balahana ny rano amin’ny tokantrano sasany. Miara-miaina ao anaty ranom-potaka maimbo maloto manempotra ny mponina, satria tsentsina avokoa ny ankamaroan’ireo lakan-drano na tatatra hivarinan’ny rano, vokatry ny fanorenana trano tsy ara-dalàna eo amboniny, izay mila ravana haingana, hoy ny mponina, ary ny fitrohana amin’ny “moto pompe” ireo rano miandrona. Manampy trotraka mahatonga ny fahatsetsenana, raha ny fanazavana azo ny fanariana fako, indrindra “sachet plastique” amin’ny tatatra na lakandrano, izay toa mandrora mitsilany ihany ireo mponina. Efa mahazo loza manambana Antananarivo, ka raha vao rotsaka ora vitsy monja ny orana dia fefiky ny rano tanteraka fokontany maro eny ambany tanàna. Dia ho aiza ? Na izany aza samia mailo.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.