Mampiteny ny moana ny fidangan’ny vidin-javatra any Alaotra. Ireo entana ilaina andavanandro no tena tsikaritra misondro-bidy isaky ny roa andro. Efa mananika ny 2800 ariary ny kilao ny siramamy, 350 ariary ny kapoka ny fotsimbary, 3 800 ariary ny litatry ny menaka tsy mandry, sombiny ihany ireo fa ny zavatra hafa tsy lazaina intsony. Manampy trotraka ny tsy fisian’ny asa, ka zary manjaka ny tsy fandriampahalemana. Very fanahy mbola velona, araka izany, ny mponina any Alaotra noho ny fiakaran’ny vidim-piainana. Samy velon-taraina na ny mpiasa tena na ireo miasa eny anivon’ny orinasa noho ny vola azo tsy mifanaraka intsony amin’ny vidim-piainana. Betsaka ireo miresaka fa raha mbola mitohy izao fisondrotry ny vidim-piainana izao dia ho avy ny fipoahana ara-tsosialy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.