Nambaran’ny talem-paritry ny tontolo iainana, ny ekôlôjia, ny ranomasina sy ala any Boeny tany Mahajanga, araka ny fanadihadiana nataon-dry zareo fa ny 10%-n’ny velaran-tany manerana an’i Boeny sisa no misy ala ankehitriny. Mandany hazo 1m3 isan-taona ny Malagasy iray, hoy izy, ka mahatratra 600 000 m3 eo ho eo ny hazo ripaky ny mponina 600 000 ao amin’ny
Faritr’i Boeny isan-taona, kanefa ny solony tsy misy firy. Nandritra ny fanokafana ny taom-pambolen-kazo tany an-toerana notarihan’ny ny lehiben’ny faritra, Saïd Ahamad Jaffar, ny alarobia lasa teo no nilazany izany. Vahaolana ho an’ny ity Faritra ity, hoy ny teknisianina ny fambolen-kazo amin’ny velaran-tany midadasika tokony hataon’ireo sehatra tsy miankina sy ny fametrahana velaran-tany voatokana hambolen-kazo ao anatin’ny Drafitra fanajariana ny kaominina na ny “Schéma d’Aménagement Communal”. Sady nitarika ny fambolen-kazo ny Lehiben’ny Faritra no nitondra fanentanana ho an’ny rehetra tamin’ny filazana fa : “zava-dehibe ny fambolen-kazo satria ny hazo no miantoka ny fahatsaran’ny tontolo iainana izay misy antsika. Isika ihany anefa no manimba ny ala amin’ny fikapana tsy ara-drariny ny hazo ka tokony hisy ny ezaka hamerenana izany amin’ny laoniny”. Marihina fa 10 tapitrisa ariary no lany tamin’ny fikarakarana ity fanokafana ny taom-pambolen-kazo tany Boeny ity ka velaran-tany 10 ha amin’ny 25 ha kendren’ny Faritra horakofana hazo amin’ity taona ity no efa voavoly zana-kazo kininina sy “acacia” niisa 17 000.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.