Actualités

Faravohitra Namoa-doza ny fiara mpaka fakon’ny SAMVA


  • Alatsinainy 09 Febroary 2015

Fiara maromaro nijanona amin’iny fidinan’i Faravohitra iny no indray potika notrongisin’ny fiarabe mpaka fakon’ny SAMVA omaly mitataovovonana, mifanandrify amin’ny fotoana firavan’ny fiangonana indrindra.


  Raha ny voalaza dia nilaozan’ny tsindry hisatra ilay fiarabe nefa feno fako, ka dia nifaoka izay rehetra teny anoloany vao tafajanona. Tsy ampy fanaraha-maso sa tsy ampy fikojakojana ara-teknika ny fiara nefa volabe no miditra amin’ny Kaominina sy ny omena ny SAMVA tokony hisahanany izany ? Olona folo mianaka no naratra, niditra an-tsehatra mihitsy ny mpamonjy voina nisikotra ny sasany vao tafavoaka tao anaty fiara. Omaly ihany dia tonga teny amin’ny HJRA nitsidika ireo niharam-boina ny PDS Ny Hasina Andriamanjato ary nampanantena fa handray an-tanana manontolo ny fitsaboana azy ireo ny Kaominina.

 

Jean D.

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT