Manoloana ny fisian’andian’olona manao fanamiana misy soratra RLM Communication izay nizara vola teny amin’ny fivoriam-bahoaka teny amin’ny Fitsarana Avo momba ny lalàmpanorenana omaly zoma 23 novambra maraina, dia namoaka fanambarana ny tompon’andraikitra ao anatin’ity vondron’orinasan-tserasera ity.
Tsy nandefa olona nanao fihetsika mamoafady izahay eto anivon’ny RLM Communication, tsy momba ary tsy manohana velively ny hetsika tahaka izay nitranga teo amin’ny Fitsarana Avo momba Lalàmpanorenana izahay, hoy ny fanambarana nataon’ireo tompon’andraikitra ireo izay nahitana ny mpandridra ankapobeny Rahajason Harry Laurent, Ny talen’ny famoahana Rasoanaivo Rocco ary ny talen-dahatsoratra Tahiry Ralambomahay. Ny Vondrona RLM Communication dia manameloka ny fisandohana sy ny fanasoketana ataon’ny sasany, hoy izy ireo ary manamafy etoana fa mbola endrika famotehana sy fandotoana ny Filoha tale jeneraly ny vondrona RLM Communication. Hatramin’ny fotoana nahitana fa nanome vahana kokoa sy miara-dia amin’ny kandida Marc Ravalomanana no nisehoan’ny karazana antsojay samihafa mahazo ity vondron’orinasa ity amin’ny alalan’ny endrika fampihorohoroana sy fampitahorana, izay efa azo an-tsaina ny ao ambadika.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.