Actualités

Fanorenan-trano ao Mahajanga Tsy ara-dalŕna ny 80%


  • Zoma 20 Febroary 2015

Araka ny tatitra navoakan’ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny kaominina ambonivohitra Mahajanga dia ny 80%-n’ireo trano miorina any an-toerana dia tsy ara-dalŕna avokoa. Matetika dia tanin’ny kaominina izay tsy misoratra amin’ilay tompony naka azy ny tany fa dia mipetraka tsotra eo fotsiny izy.

 

Rehefa tafapetraka eo anefa ireo olona izay vao miroso amin’ny fangatahana ny tany any amin’ny kaominina sy ny sampandraharahan’ny fananantany. Niteraka olana eo anivon’ny fiarahamonina tokoa ny ady tany maro samihafa ka voatery nandray ny fanapahan-kevitra ny kaominina Mahajanga fa miato ny fangatahana tany sy ny fikarakarana ny taratasin’ny tany. Antontan-taratasy maro no efa voaray mikasika ny fangatahana tany io. Ny zava-misy anefa dia tsy miandry ny taratasy ara-dalàna mivoaka ireo olona fa dia manangana trano avy hatrany na koa dia mamefy eo amin’ny tany izay tsy mbola mazava ny momba azy. Trano maro no efa nahazo taratasy avy amin’ny faritra Boeny mikasika ny tokony handravana ireo trano tsy ara-dalàna ireo. Nilaza ireo tompon’andraikitry ny faritra fa hisy ny hetsika atao handravana ireo trano tsy manara-dalàna, hatramin’izao anefa tsy mbola hita hatrany izany. Ny ankamaroan’ireo trano tsy manara-dalàna ireo tokoa mantsy dia an’ireo tomponandraiki-panjakana sasany ka mety izay angamba no tsy nahasahian’ny faritra Boeny hanatanteraka io hetsika fandravana trano tsy ara-dalàna ao Mahajanga io.

 

Tolin

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT