Actualités

Fanondranana boaderôzy Manomboka mivoaka ny marina…


  • Talata 17 Febroary 2015

Nanaitra ny maro ny vaovao nivoaka tamin’ny gazety frantsay “Le Monde” mikasika ny fanondranana sy fitrandrahana ary fitaterana ny boaderozy eto amintsika ny taona 2014 iny. Nilaza ity gazety ity fa “nahazo fahazoan-dalana ara-dalŕna” tamin’ny talem-paritry ny ala sy ny tontolo iainana atsinanana ireo mpanondrana izany antsoina hoe “A. M” (tanan-kavanan’Atoa M J E).

 

Taratasy hosoka

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny teo anivon’ny talem-paritry ny ala sy ny tontolo iainana atsinanana Atoa Botovavy Dieudonne taorian’izay, ka namoaka ny zava-nisy marina tamin’izany, fisian’ny fanaovana hosoka momba azy sy ny talem-paritra atsinanana; efa nisy ny fitoriana nataony ny 27 jona 2014 saingy tsy nisy tohiny ny raharaha tamin’izany. Nanomboka tamin’ny fivohan’ilay “fahazoan-dalana hanondrana vokatra ny ala” mitondra ny laharana 0512/14/MEF/SG/DREF.Ats/Export ny 01 aprily  2014 ny raharaha, sy ilay “Certificat d’Origine” mitovy laharana sy daty tamin’ilay fahazoan-dalana ihany, ary ny “Certificat Phytosanitaire” laharana 1014/14/52TM/AJR.MAG ny 01 aprily 2014. Nefa ny 2 aprily 2014 dia mbola mitondra ny laharana 370/14/MEF/DREF.ATS/EXPORT no voasoratra ao anatin’ny “Chrono general” an’ny DREF atsinanana. Hosoka sy fampiasana hosoka avokoa ny zavatra voarakitra ao anatiny. Eo ny sary famantarana ny mininisitera izay kely kokoa noho ny tena izy. Eo ilay soratra “talem-paritra” izay lasa Toamasina nefa tokony ho “Atsinanana”. Eo koa ny tsy fanarahana ny firafitry ny fehezan-tena fampiasa ao anatin’ilay “fahazoan-dalana” manginy fotsiny ny fahadisoana “tena” ampiasaina, ary farany dia ny “fitomboka” nampiasaina izay lasa “Envirronnement” (lasa roa ny ‘r’) raha toa ka “Environnement” ny tena izy, nanampy trotraka izany ny filaza fotsiny fa “Bois” no hahondrana raha tsy maintsy hazavaina ny momba ilay hazo amin’ny “Certificat” tena izy famoakan’ny minisiteran’ny ala sy ny tontolo iainana.

 

Zanzibar , avy eo Hong Kong

Miisa 7.100 ka milanja 850 taonina ireto andramena nalefa tamin’ny taratasy hosoka sy fampiasana hosoka tao Toamasina ireto, ka nampandalovina tao Zanzibar Tanzania aloha ilay izy vao nihazo an’i Hong Kong Chine tena namarotana azy nentiny sambo “Muneera”.

Ny nahagaga ny maro aty aoriana dia ny faneken’ireo sampandraharaha sy olona rehetra nandalovan’ny taratasy hosoka sy fampiasana hosoka ity teo anivon’ny seranan-tsambo, ka nanamora ny fanondranana azy sy ny fisavana ny entana teo am-pandalovana ny “Scanner” ny ladoany malagasy Toamasina. Mbola eo anivon’ny polisy ara-toekarena sy ara-bola Toamasina ny fitoriana hatramin’ny 27 jona 2014. Efa manetsika ny raharaha ny polisy ankehitriny saingy voalaza fa tsy eto an-toerana i “A.M” fa mbola any Hong Kong manaraka ny “Patron”-ny E amin’ny resa-bola.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT