Actualités

Fanolanana feno habibiana Noloarana ny fivaviany dia notsatohana bararata ny vavany


  • Alatsinainy 02 Jona 2014

Habibiana no nihatra tamin’ity ankizy vavy kely vao11 taona monja monina ao Bekabaro, Kaominina Ilafy ny takarivan’ny alarobia lasa teo.

Nandeha niantsena tsy dia lavitra ny toeram-ponenany izy no tsy tafaverina tao an-tokantranony intsony. Hividy kafe sy siramamy any an-Tsenandrabary no nanirahan’ny reniny azy. Efa alina ihany ny andro tamin’io alarobia io tsy niverina mihitsy ilay zaza. Nikoropaka nikaroka azy ny rehetra iny alina iny saingy niala maina. Rehefa maraina ny andro dia niverina nanao ny fikarohana azy ny Fokonolona sy ny fianakaviana ka indrisy efa vatana mangatsiaka no hitan’ny raibeny teo amoron-drano tao Lohafasika teo anelanelan’i Bekabaro sy Tsenandrabary. Rehefa nataon’ny mpitsabo sy ny mpitandro ny filaminana ny fizahana ny razana dia voamarina fa potika ny fivaviany ary nahitana bararata ny vavany. Tsikaritra fa lavaka lehibe toy ireny noloarana ireny mihitsy ny fivaviany ary mbola tavela teo amin’ny vavany ny rantsana bararata. Mpianatra ao amin’ny EPP Manjakatsiahoatra ity ankizy kely niharana ny famonoana tamin’ny fomba feno habibiana ity. Mihorohoro tanteraka ny Fokonolona any an-toerana taorian’izao trangan-javatra izao ary maniry ny fandraisan’andraikitra avy amin’ny mpitondra hanaovana hazalambo ny nahavanon-doza.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT