Mitohy ary hiha-matotra hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) sy ny fikambanana iraisam-pirenen’ny Frankôfônia.
Nisongadina izany omaly maraina, nandritra ny fihaonana teo amin’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo, Lalao Ravalomanana sy ny Ambasadaoro, solontenam-paritry ny Frankôfônia aty amin’ny Ranomasimbe Indiana, Malik Sarr, tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely. Nambaran’ity farany fa nivoitra nandritra ny fihaonana ny fankasitrahan’izy ireo ny Ben’ny tanàna noho ny fandraisana mendrika ireo Ben’ny tanàna avy amin’izao tontolo izao miisa 160 farany teo, izany dia amin’ny maha filohan’ny AVCOI na ny Fikambanan’ireo tanàn-dehibe sy ireo vondrom-bahoakam-paritra, ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana. Ny fiaraha-miasa hotanterahina fohy ezaka araka ny nambaran’i Malik Sarr dia eo amin’ny sehatry ny fitantanana ny tanàna, ny fanodinana fako, ny angovo, ny resaka jiro, ny momba ny fandraharahana, eo koa ny fanofanana ireo vehivavy sy tanora ho amin’ny fampandrosoana,…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.