Tafiditra amin’ny fanamafisana ny fampiroboroboana ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina ny fihaonana teo amin’ny filohan’ny Repoblika Rajaonarimampianina Hery sy ny sehatra tsy miankina teny amin’ny
lapam-panjakana Iavoloha omaly. Nisongadina tamin’ny diniky ny roa tonta ny anjara andraikitra lehibe sahanin’ny tontolo tsy miankina eo amin’ny asa fampandrosoana ny fiarahamonina malagasy amin’ny ankapobeny. Noresahana manokana ihany koa ny fiaraha-miasa 3P ho fampandrosoana ny lafiny ara-toekarena eto Madagasikara. Tapaka taorian’ny fifampidinihana teo amin’ny an-daniny sy ny an-kilany teny an-toerana fa hatsangana ny sehatra fifanakalozana lehibe iray, araka ny fanampim-panazavana azo. Natao izany ho fanamorana ny serasera sy ny tohana ny sehatra tsy miankina. Nangataka ny hanamaivanana ny hetra sy ny haban-tseranana takiana amin’izy ireo ny solontenan’ireo moa mpandraharaha. Toromarika avy amin’izy ireo ny mba hijeren’ny fanjakana ny orinasa Jirama sy ny Air Madagascar. Atoa Ntsoa Andriamifidimanana filohan’ny Fivmpama dia nanambara fa tsy tokony ho variana amin’ny resaka politika fotsiny ny fitondram-panjakana fa mamonjy haingana ny lafiny ara-toekarena
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.