Nametraka fe-potoana ny praiminisitra ny amin’ny famerenana ny takelaka mena ho an’ny fiaram-panjakana rehetra izay nifarana ny sabotsy 28 jolay lasa teo.
Raha ny angom-baovao farany dia 10% sisa no tsy nahavita. Ny antony, amin`izay hita hoe fiaram-panjakana no manao fampielezan-kevitra satria goragora loatra ny fitantanana ny asam-panjakana. Ny praiminisitra Ntsay Christian no nanome baiko amin`ny fanatanterahana azy ity. Taitra kosa ny ankamaroan`ny Malagasy raha nahita fa fiara hiaka farany tena raitra ary tena lafo vidy no hita mivezivezy eto amin`ny tanàna toy ny fiara marika Toyota V8, Tiguan, Duster, Peugeot 2008, Citroen C3 sy C5… Raha ny fanadihadiana natao, ny Toyota V8 dia mitentina 380 tapitrisa ariary eny amin`ireny mpivarotra fiara vaovao lehibe ireny, ireo fiara tsotra kosa tsy latsaky ny 50 tapitrisa ariary. Raha atao kajikajy tsotsotra, minisitera iray manana fiara 4x4 miisa 10 ary fiara tsotra eo amin`ny 30 isa, izany hoe manana toebola 5,3 miliara ariary. Miisa 32 ny minisitera eto Madagasikara, izany hoe manana tetibola maherin`ny 166,4 miliara ariary ny fanjakana na dia samy manatanteraka baiko ireo minisitera tsirairay avy. Kajy ambany io fa voaporofo hoe manam-bola be ny fanjakana kanefa maro ireo fitakiana azo tanterahina raha manao ny politikan`ny fitsitsiana. Nodradrain`ny fitondram-panjakana fa efa vonona hanome 155 miliara ariary amin`ireo mpampianatra izy ireo saingy tsy afaka manao mihoatra an`izay satria milaza ny mpitondra fa tsy manam-bola ny fanjakana. Efa hatramin’ny taona 2009 no krizy ny firenena kanefa nahoana no mbola sahy nividy fiara lafo ? Porofo mitohaka amin`ny tendan`ny fitondram-panjakana ireo fiara raitra mirantiranty manerana ny nosy ary midika fa manam-bola be ity fitondrana ity. Nahoana moa ny fanjakana no afaka mividy fiara tena lafo toy ireny kanefa ny ankamaroan’ny vahoaka Malagasy dia miaina ao anaty fahantrana lalina ?
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.